Politique

Lalatiana Ravololomanana “Miala Rajoelina rehefa tsy zakany ny fitantanana”


  • Zoma 12 Martsa 2010

Efatra andro sisa dia hilatsaka ny sazy raha miziriziry amin’ny lalan-tery samirery ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT).

Miala nenina farany amin’ireo mpitondra fanjakana ankehitriny ka miantso ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, hiverina amin’ny fifanarahana vita sonia tany Maputo sy ny sata tovana tany Addis Abeba, araka izany, ireo mpanao politika miara-dia amin’ny profesora Zafy ahitana an-dRavololomanana Lalatiana, Maurice Beranto ary ny Dr Razafindrakoto Harisson. “Ambavahaoan’ny lavaka mangitsokitsoka ny firenena ankehitriny satria andro vitsy sisa dia hihatra ny sazy kanefa tsy mbola tara izao. Ny soso-kevitro dia, na Rajoelina miverina amin’io fifanarahana io, na izy miala rehefa tsy mahazaka ny fitantanana ny firenena satria efa naneho ny fetrany amin’ny fahatakarana ny fitondrana sy ny fifandraisana iraisam-pirenena ny tenany”, hoy i Lalatiana Ravololomanana. Nitondran’i Maurice Beranto valin-kafatra ihany koa ny fanambaran’ny jeneraly Ramakavelo Désiré izay nilaza fa efa mivonona hizaka ny sazy arangarangan’ny firaisambe iraisam-pirenena ny vahoaka Malagasy. Nomarihiny ary fa tsy azo atao takalon’aina hibaby ny fitiavan-tenan’olom-bitsy ny vahoaka Malagasy satria tsy izany no nitolomany. “Miala amin’ny jadona ny firenena dia miditra amin’ny jadona amin’ny endriny vaovao indray ankehitriny”, hoy ihany ity filohan’ny Fidem ity. Nampiany koa fa famitahana ny Malagasy ny filazana fa afa-miala amin’ny firaisambe iraisam-pirenena isika. Porofon’izany dia mihazakazaka etsy sy eroa ny FAT miezaka mandresy lahatra ireo mpamatsy vola sy ireo  firenena goavana ary ireo vondrom-paritra isanisany.  

Mitsipaka tanteraka ny fanatanterahana ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny atrikasa Teny Ifampierana notontosaina teny Ivato ny 4 sy 5 martsa teo koa ireto mpanao politika ireto. Raha fitadiavam-bahaolana marina no natao teny Ivato, hoy ny Dr Razafindrakoto Harisson dia tokony ho nampiantso ireo ankolafy hafa ny mpitondra ka niarahana ny fikarakarana azy. Nomarihiny koa fa tsy mahasolotena ny vahoaka Malagasy ireo mpikatroka 900 izay nandray anjara tamin’iny katrodoha iny. Notsorin’ny filohan’ny fikambanana Manda ho an’ny Firaisam-pirenena, Lalatiana Ravololomanana fa fikambanana avy eto an-drenivohitra no nameno ny trano fa tsy nahitana antoko politika manan-daja eto amin’ny firenena. Momba ny vontoatin’ny atrikasa indray dia ny famolavolana lalàmpanorenana no tokony hatao laharam-pahamehana satria tsy misy lalàna na rafitra mazava mifehy sy mametra ny asany ny fanjakana ankehitriny.
Ampihimamba
Hatramin’ny taona 2003 no efa niady mafy amin’ny fametrahana tetezamita iraisana sy ny fihavanam-pirenena ireto mpanao politika ireto raha ny nambarany. Nivaona tanteraka amin’ireo fotokevitra ijoroany ireo anefa ny fihetsik’ireo mpitondra ao amin’ny FAT. “Handiovana ny sehatra politika ka andrafetana ireo fototry ny  repoblika faha-4 no fanamby amin’izany saingy hararaotin’ny sasany ho fanangonan-karena amin’ny alalan’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena izany rehefa nahazo toerana izy ireo, hoy i Maurice Beranto. Nasiany teny manokana moa ny raharaha bois de rose. Nanamafy koa ireto mpanao politika ireto fa ny ady amin’izany indrindra no antony mampiray azy ireo. Eo ihany koa ny fanoherana ny fanilikilihana amin’ny endriny rehetra. Ny Dr Razafindrakoto kosa dia nanamafy fa tsy fitadiavan-tseza ny fanaovana politika, raha tsy izany dia efa niditra tamin’izao fanjakana izao ny tenany. Ny mahamaika, hoy izy dia ny fanatanterahana ny fihavanam-pirenena izay taratry ny fahendrena Malagasy.
 
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT