Politique

Lalatiana Ravololomanana “Manahirana ny hihavana amin’ny olona tsy mitana ny teny nomeny”


  • Alakamisy 29 Aprily 2010

Isan’ireo nandray fitenenana nandritra ny hetsiky ny ankolafy telo teny amin’ny kianja monisipaly Alarobia i Lalatiana Ravololomanana. Ny Fihavanana no tena nasiany tsindrim-peo manokana.

Very hasina ny tanindrazana, hoy izy, manoloana ny zavatra ataon’ireo misora-tena toa voatango. Tsy hanaiky ny famarotana ny tanindrazany amin’ny frantsay ny Malagasy tia tanindrazana, hoy ihany izy. “Ny Fihavanana no simenitry ny firenena”, hoy izy, ary firenena vanona no haorina eto. “Aoka hihoarana ny ankolafy fa ny Malagasy dia iray ihany”, hoy ihany ity mpitari-tolona sady filoha nasionalin’ny antoko Manda ho an’ny firaisam-pirenena ity ary mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert ity, izay tsy nihambahamba koa niteny fa manahirana ny hihavana amin’ny olona tsy mitana ny teny nomeny.

Ho an’ny dokotera Razafindrakoto Harison, filohan’ny Hery Politika Mitambatra indray, dia mazava ny nambarany fa tsy ny mpitondra no mahamaika, hoy izy, fa ny rafitra apetraka hitondrana ny firenena. Tsy maintsy mandalo fampihavanana ny tetezamita. Tsy midika ho fikolokoloana ny tsy maha maty manota anefa izany, hoy ihany izy izay nanambara fa hampihavanina amin’ny tantarany ny Malagasy.
 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT