Politique

Lalatiana Ravololomanana Kely finoana fa hamaha ny krizy ny sonia


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011

Na dia nanao sonia ny tondrozotra aza ny Ankolafy Zafy Albert dia mametraka ahiahy ny hivahan’ny krizy Rtoa Lalatiana Ravololomanana, izay mpikambana feno ao anatin’io Ankolafy io.

 Mahita mantsy ny tenany fa tsy mbola voafaritra mazava ao anatin’ilay tondrozotra ireo olana goavana mampiverimberina ny korontana teto Madagasikara ary mijanona ho baraingo koa hatreto ny momba ny fitsapan-kevi-bahoaka nataon’ny FAT ny 17 novambra tamin’ny taon-dasa. “Miahiahy izahay sao sanatria varotra omby anaty ambiaty no natao ka tsy mahavaha olana. Milaza anefa ny SADC fa fanombohan’ny dingana ihany iny sonia iny ka hanongilan-tsofina sy hanaraka akaiky ny tohiny izahay”, hoy izy. Ho an-dRtoa Lalatiana Ravololomanana dia ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena telo teo aloha sy ny filohan’ny FAT no hitondra fahatoniana sy vahaolana satria ny sonian’ireo lehiben’ankolafy ireo ihany no afaka mamafa izay fifanarahana vita teo aloha.

Miandrandra mafy ny fanatontosana haingana io fihaonana io ny tenany, araka izany. Tsy mahazo antoka ny hampiharan’ny FAT ny tondrozotra koa ny filohan’ny Manda ho an’ny Firaisampirenena izay nilaza fa tsy voafatotra amin’iny mihitsy i Andry Rajoelina. “Ny soniany aza no tsy noraharahiany koa vao maika fa tsy isany nandray anjara ny tenany tamin’ity indray mitoraka ity”, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana. Fiarovan-tseza kosa ny fahitany ny fisisihan’ireo vondron-kery be dia be nanao sonia satria samy mailo hiaro ny toerany ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita izy ireo. Farany dia nitondrany fanazavana koa ny fitoriana napetraky ny profesora Zafy Albert eny amin’ny fitsarana ireo mpitondra ambony ao amin’ny FAT ny alarobia 14 septambra lasa teo. Fitoriana noho ny afera “bois de rose” sy ny famadihana tanindrazana izy ireo satria tsy mety ny mamboly kolotsaina tsimatimanota ka tsy azo avela ampelatanan’ny olona manao tantely afa-drakotra ny fiainam-pirenena i Madagasikara, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana.

 

Yves

 

Sary : Lalatiana Ravololomanana, filohan’ny Manda ho an’ny Firaisampirenena

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT