Tsy miova amin’ny heviny ny ankolafy telo fa dia manohy ny tolona sy ny fitakiana mandra-pahatongany eny amin’ny kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo.
Izay no azo hamintinana ny resaka nifanaovan-dramatoa Lalatiana Ravololomanana tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny villa Elizabeth Ivandry. Mba ialana amin’ny ahiahy tsy hihavanana amin’ireo mpiara-mitolona dia nanambara ity mpitarika eo anivon’ny ankolafy telo ity fa dingana tsy maintsy atrehana ao anatin’ny tolona hifanohanana ny famoriam-bahoaka sy fanehoan-kevitra ao amin’ny kianjan’ny Malacam Antanimena izay hosantarina anio alarobia manomboka amin’ny 1 ora antoandro. Nambarany koa fa efa manao fampielezan-kevitra i Andry Rajoelina amin’izao fotoana satria hivadika amin’ny teny efa nomeny ka hanambara indray atsy ho atsy fa hilasataka hofidiana filoham-pirenena. Efa mety tsara aminy rahateo ilay andininy faha-46 ao amin’ny volavolan-dalàmpanorenana nampidina ho 35 ny taona faran’ny kely indrindra takiana amin’ireo kandida filoham-pirenena.
Mampibaribary ny maha kitoatoa ilay volavolan-dalàmpanorenana terena holanian’ny vahoaka amin’ny 17 novambra io andininy faha-46 io ary tsy azo ekena mihitsy araka ny fanambaran’i Lalatiana Ravololomanana azy. Tsy mendrika ho an’ny repoblika faha-4 io lalàmpanorenana io hoy izy, ary henatra kehibe ho an’ny malagasy raha i Andry Rajoelina no ho lany ho filoham-pirenena amin’izany. Mikasika ny hetsiky ny ankolafy 3 manokana indray dia nambarany fa mitohy ny tolona ka hiantsoana ireo rehetra mahita sy mahatsapa fa tsy mety ary tsy rariny ny zava-misy amin’izao fotoana. Misokatra midanadana ny varavaran’ny ankolafy 3 ho an’ireo olona mahatsapa fa voafitaka sy tsy mety ny fiainany, hoy i Lalatiana Ravololomanana. Nanamafy ny teniny moa izy ary nilaza hoe : « tohano ny antsonay ary tongava eny amin’ny toerana voalaza araka ny fiantsoana raha mahatsapa ianao fa namita-bahoaka sy nampahantra azy ity fanjakan’ny FAT ity ».
Ho an’ireo izay mbola manahy misalasala ho amin’ny fihaonambe eny amin’ny kianjan’ny Malacam Antanimena kosa dia tsotra ny an’i Lalatiana Ravololoanana : « Aza matahotra fa hetsika am-pahendrena sy am-pilaminana azy nahazoana alalana no hatao eny ; raha misy ny fisamborana dia aoka izaho Lalatiana Ravololomanana no hosamborian’ny mpitandro ny filaminana satria izaho no nitarika ny vahoaka ho eny amin’ny kianja Malacam… ». Ny namaranany ny fanehoan-keviny moa dia ny hoe tokony hapetraka eto amin’izay ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika sy milamina fa tsy savorovoro sy fanonganam-panjakana foana no hananganana repoblika vaovao. Dingana iray lehibe amin’ny tolona ho fanoherana ny jadona, ny tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna no atrehina manomboka anio eto Antananarivo, hoy ihany izy ary tsy maintsy hisy ny fanehoana ny fiaraha-mientan’ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka manerana ny nosy mialoha ny 17 novambra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.