Politique

Lalatiana Ravololomanana “Hijoro hatrany na dia hogadraina aza”


  • Alarobia 02 Jona 2010

Naneho hevitra indray i Lalatiana Ravololomanana raha somary nangingina taorian’ireny zava-nisy teny amin’ny Fort Duchesne ny alakamisy 20 mey ireny.

Anisan’ireo mpanao politika telo teny an-toerana izay voalaza araka ny feo miely fa hampiantsoan’ny mpitandro filaminana hanaovana fanadihadiana momba iny raharaha iny ny tenany. Eo anatrehan’izany dia niaiky sy nanamafy ity filohan’ny Manda ho an’ny Firaisam-pirenena ity fa tonga teny amin’ny tobin’ny Fort Duchesne tokoa izy ny androtr’io alakamisy io mba hitondra vatsy ho an’ireo olon-tsotra maro izay voatery niafina tao amin’ny toby rehefa raikitra ny fifampitifirana. Nambarany koa fa vonona ny hamaly ny taratasy fampiantsoana azy izy raha misy tokoa izany satria tsy misy na inona na inona tokony hatahorany. “Heloka ve ny filazako fa fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena no ataon’ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) sy ny fitenenako fa tsy mahazaka fahefana Rajoelina ?”. Aminy dia tetika fampitahorana sy fanampenam-bava azy sy ireo mpanao politika namana izay mitsikera ny tsy mety ataon’ny FAT no tiana ahatongavana saingy tsy hilefitra ny tenany manoloana izany “Hijoro foana izahay hiaro ny Tanindrazana na dia higadranay aza izany”, hoy izy.

Manana ny heviny koa ity andriambavilanitra mpanao politika sady mahitsy fiteny ity manoloana ny fanambaran-dRajoelina farany teo. “Milaza ho raiamandrenin’ny Malagasy izy kanefa tsy nahitan-teny na indraim-bava aza manoloana ny fifampitifiran’ny miaramila teny amin’ny FIGN. Izany filoha izany anefa no lehiben’ny foloalindahy”. Momba ny raharaha fitrandrahana ny vy ao Soalala izay nomena ny orinasa Wisco ny fitrandrahana azy dia nambarany fa tsy manana fahefana hamintrana fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny any ivelany io fitondrana ankehitriny izay tsy ekan’izao tontolo izao. Manahy ny tenany sao fivarotana Tanindrazana amin’ny vahiny no hevitra ao ambadik’izany. Mangataka hamoahana imasom-bahoaka ny vontoatin’ny fifanarahana amin’ity orinasa sinoa ity ny tenany.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT