Tsy tokony hatao tompon-trano mihono amin’ny raharaham-pirenena ny vahoaka malagasy. Araka izany dia miantso an’i Andry Rajoelina hamboraka imasom-bahoaka ny marina momba ilay fifanarahana ivoahana amin’ny krizy izay lazainy fa efa nekeny sy nankatoavin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Lalatiana Ravololomanana.
Fifanarahana izay tsy ilana adivarotra intsony fa fanaovan-tsonia sisa no atao any Pretoria raha ny nambaran’ny filohan’ny FAT ihany. Mametraka ny ahiahiny anefa ity mpanao politika mivantambantam-piteny ity satria misy fifanoherana ny vaovao henony momba io dinika any Afrika Atsimo io. «Rajoelina irery ihany no nilaza fa sonia sisa no hatao kanefa ny mpitondra tenin’i Marc Ravalomanana dia nanambara fa tsy misy izany zavatra efa tapaka izany. Nanamafy koa ny masoivoho frantsay miasa eto amintsika fa mbola misy teboka vitsivitsy tsy ifanarahana”. Ho an’ity mpanao politika ity dia mbola manaporofo ny tsy fahamatorany hatrany Rajoelina izay mivadibadika amin’ny teniny. «Nambaran’ny mpitondran’ny FAT fa hosokafana amin’ny hery politika rehetra ny fikatsahana vahaolana amin’ny krizy fa tsy atao raharahan’ny ankolafy efatra ihany. Izao anefa dia iaraha-mahita fa mifanohitra amin’izay tanteraka ny tiana hatao satria ankolafy roa ihany no tadiavina hifanaraka». Nametra-panontaniana momba ny anjara toeran’i Frantsa amin’ny raharaha mamaivay eto amin’ny firenena ankehitriny sy ny fifandraisany amin’ny fitondrana tetezamita kosa i Maurice Beranto. Tsy lojika, hoy ny filohan’ny FIDEM ny fihetsiky ny fitondrana amin’izao fotoana satria raha tsy nasiany lanjany no sady tsy nampihariny ny fifanarahana izay natrehan’ny firaisambe iraisam-pirenena dia ihazakazahany kosa izao ny fifanarahana vaovao izay ny Frantsay no namolavola azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.