Nivory tao amin'ny biraon'ny AIMF (Association Internationale des Maires Francophones) tao Parisy ny alakamisy lasa teo ny Sekretera Maharitry ny AIMF sy ny mpiara-miasa aminy ary Ramatoa Lalao Ravalomanana, Ben'ny tanànan'Antananarivo sy ny mpanolotsainy.
Nivoitra avy hatrany ny fahavitrihan'ny roa tonta ny hanamafy ny fifandraisana. Nilaza avy hatrany ny tompon'andraikitry ny AIMF Atoa Pierre Baillet, indrindra eo anatrehan'ny voina nahazo noho ny fandalovan'ny rivodoza Enawo, handray anjara mavitrika amin'ny fanampiana maharitra. Nisy ihany koa ireo sehatra hafa voadinika tamin'ny fihaonana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.