Fomba fiasa vaovao napetraky ny tanànan’Antananarivo Renivohitra nanomboka tamin’ity taona 2017 ity ny fitetezana fokontany ao anatin’ireo boriborintany enina.
Fidinana ifotony mandritra ny efatra andro misesy ao anatin’ny herinandro hijerena ny zava-misy marina miaraka amin’ireo filana laharam-pahamehana ho an’ny mponina. Fokontany 8 nisian’ny tetikasa CLD (Comité Local de Développement) amin’ireo 34 ao anatin’ny boriborintany fahefatra, ohatra, no voatety ny alatsinainy 13 hatramin’ny alakamisy 16 febroary 2017, hoy ny mpamita iraka eo anivon’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Ravaoniriana Sarah Zoé teny Analakely omaly. Nitondran’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana vahaolana avy hatrany ny mikasika ireo fanorenana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna, ny lakandrano maloto, ny fampitaovana ny CSBII Namontana na koa ny trano fivoahana iombonana tsy ampy noho ny olana tany sy famatsiambola. Nomeny lanja manokana kosa ny sehatra fitaizana tanora eny anivon’ny fiarahamonina. Hafatr’i Neny hatrany moa ny fiaraha-mientana eo amin’ny sefo fokontany sy ireo rafitra fanadiovana isan-tsokajiny eny ifotony. Miantso fandraisan’andraikitry ny vahoaka hisian’ny fampandrosoana maharitra eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara ihany koa ny tenany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.