Politique

Lalao Ravalomanana Haongan’ny HVM ihany koa ?


  • Alarobia 05 Aprily 2017

Hisy ny fihaonan’ireo ben’ny tanàna ny renivohi-paritany 6 sy ny tanàn-dehibe eto Madagasikara rahampitso eto Antananarivo, izay eo ambany fitarihan-dRamatoa Lalao Ravalomanana.

 

 Anisan’ny lahadinika ny momba ny tokony hatao manoloana ity paikady fanesorana na fanonganana ben’ny tanàna hita amina tanàn-dehibe eto Madagasikara ity. Toamasina sy Mahajanga ary Port-Bergé moa no tena malaza amin’izany kanefa efa mandeha koa ny feo fa tafiditra ao anatin’ireo mety hoesorina i Lalao Ravalomanana, ben’ny tanànan’ny renivohitr’i Madagasikara. Nohamafisin-dramatoa ben’ny tanàna teny Faravohitra omaly fa tsy maintsy karohana ny vahaolana amin’izao raharaha izao ary tsy matahotra ny mety hanesorana azy velively ny tenany. Etsy an-kilan’izay, re ihany koa fa efa tena miketrika mafy ny olon’ny fitondrana HVM mikaroka ny fomba rehetra hahafahana mamingana an’i Lalao Ravalomanana ka hanonganana azy. Politika avo lenta no resaka eto ary tanjona ny fanomanana ny fifidianana amin’ny 2018. Na olona faran’izay tsy maharaka vaovao politika aza dia efa mahatakatra fa mamingana ireo rehetra heverina fa mety ho mpifaninana matanjaka aminy afaka herintaona amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny antoko HVM. Tafiditra ao anatin’izany ny TIM an-dRavalomanana sy ny Mapar an-dRajoelina. Vondrona politika roa heverina fa manana fototra mafy manerana ny nosy ireo ary manana olona tena mijoro amin’ny foto-kevitra maha TIM na maha Mapar azy fa tsy olona azo tambazana vola sy fampanantenana poakaty. Efa hitam-poko hitam-pirenena ny antsojay mahazo ny vondrona Mapar amin’izao fotoana fa etsy ankilan’izay dia manana lanja politika goavana Antananarivo Renivohitra eto Madagasikara ka miezaka ny mifehy azy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fanembantsembanana ny ben’ny tanàna tsy hahavita an-tsakany sy an-davany ny asany ka hahatonga ny olona mety ho leo sy ho tezitra aminy. Nilaza mazava ny antoko Tiako I Madagasikara fa tsy zaza bodo vao omaly eo amin’ny politika akory izy ireo fa efa mahafantatra tsara io paikadin’ny fitondrana foibe io ary efa mivonona amin’ny zava-drehetra. Tsy matahotra ny fanesorana ahy, aho hoy Lalao Ravalomanana omaly nisintona ny sain’ny rehetra koa anefa izy hoe raha tena tia tanindrazana marina dia ny fanarenana sy ny asa fampandrosoana no atao fa tsy mandany andro mifanenjika amin’ny zavatra tsy misy dikany.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT