Manan-jo hahalala ny zava-misy rehetra mitranga eto Antananarivo Renivohitra ny vahoaka manoloana ny zava-nitranga ny fiandohan’ny herinandro teo, hoy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.
Latsak’alina
Navoakan’ny solontenam-panjakana foibe an-keriny ireo fiarabe miisa 3 mpitatitra tany tsy ara-dalàna teny Andohatapenaka, nogiazan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra teny Anosipatrana. Ny alin’ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany no tonga teny an-toerana ny PDS-n’Antananarivo teo aloha, kolonely Ramiaramanana Joseph niaraka tamina andian’olona misaron-tava, nitonona ho iraka nahazo baiko, nanatanteraka ny fandikan-dalàna sy fampiasana herim-pamoretana tamin’ireo polisy monisipaly tamin’io fotoana io, araka ny fanambarana nataon’i Neny Lalao Ravalomanana tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly. Valalanina amin’ity fihetsika tsy mendrika nasehon’ny olom-panjakana tokony hampiseho ohatra tsara ho an’ny mpiray tanindrazana eto Madagasikara ity rahateo ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izay miezaka manadio ny tanàna sy ny fiarahamonina amin’ireo karazana gaboraraka sy fihoaram-pefy samihafa. “Tsy misy anefa ny olona ambonin’ny lalàna”, hoy i Neny.
Roa sosona
Roa sosona ny fandikan-dalàna nitarika ny fanagiazana, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna. Voalohany ny tsy fananan’ireto kamiao ireto taratasy familiana ahafahana mivezivezy ara-dalàna. Faharoa ny tsy fisian’ny taratasy fahazoan-dalana nanatontosan’ireo mpamily io asa fitaterana tany io. Naneho ny alahelony sy nanameloka ny herisetra miaraka amin’ny fanaovana amboletra nataon’ireto andian’olona manampahefana ireto moa ny mpitantana sady tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara. Tantara mitohy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.