Mampalahelo, hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, fa lany andro mifanenjika amina zavatra tsy misy dikany isika,
raha naneho hevitra tetsy amin’ny trano fonenany etsy Faravohitra mikasika ny fahitany ny resaka novoizina fa fitsangatsanganana fotsiny no nataony tany ivelany nandritry ny herinandro niaraka tamin’ireo delegasioniny. Nanazava ny ben’ny tanàna fa hitady fanampiana amin’ireo mpiara-miasa amin’ny kaominina avy any dilambato no anton-dian’izy ireo tany Danemark sy Bruxelle ary Parisy. Nampatsiahiviny omaly ny hafatra izay efa nasainy nampitain’ny mpiandraiki-draharahan’ny kaominina tamin’ny herinandro mikasika ireo tetikasan’ny kaominina hisorohana ny fiverimberenan’ny fisiana traboina be loatra dia ilay fananganana trano manara-penitra ho azy ireny. Fanarenana izao no tokony hatao, hoy ny tenany, ary mampametra-panontaniana mihitsy hoe ny olona mihazakazaka mampandroso ny kaominina any amin’ny fireneny fa isika maninona no mbola mitady zavatra hamotehana vahoaka ihany amin’izao fahasahiranana izao ?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.