Politique

Lalana vaovao mankeny Ivato Tsy manara-dalŕna tsotra izao


  • Alakamisy 10 Janoary 2013

Hany vinavinan’asa kasain’i Andry Rajoelina hotontosaina amin’ity taona 2013 ity, araka ny kabariny teny Iavoloha omaly ny fanamboarana lalana vaovao mampitohy ny renivohitra sy Ivato.

 Fampanantenana toy ny mahazatra no nataony fa tsy nisy ny fanomezana ny pitsopitsony ara-teknika na ara-bola momba io tetikasa io. Karazana valy boraingina no nilazany fa sady tsy trosa no tsy misy fanampiana avy any ivelany ny hanatanterahana ny asa. Tsy zava-baovao loatra aloha ilay izy satria efa tetikasan’ny filoha teo aloha ny fanamboarana lalana migodana “autoroute” miala eny Ivato mankaty an-drenivohitra ary nambarany ombieny ombieny izany tamin’ny lahateniny. Ry zareo Japoney no efa nifampiraharaha hamatsy ny vola tamin’izay saingy indrisy fa rava maina ilay izy noho ny krizy politika nampiongana ny fitondrana teo aloha.

Fandikan-dalàna

Raha ny lafiny lalàna no jerena dia tena tsy mahafeno ny fepetra ity vinavinan-dRajoelina ity. Tsy voalaza ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2013 izay vao nolanian’ny Parlemanta farany teo mantsy izany tetikasa fanamboaran-dalana izany, izany hoe tsy misy loharanom-bola voaomana ka mampametra-panontaniana hoe avy aiza ny vola hampiasaina? Ny tetibolan’ny ministeran’ny asa vaventy angamba no hakana. I Andry Rajoelina anefa dedaka ery milaza fa vola madiodion’ny fanjakana no hampiasaina.

Nolazainy moa fa amin’ny volana ambony (febroary) no manomboka ny asa ary vitaina ao anatin’ny enim-bolana. Mbola fandikan-dalàna tsotra izao ny volavolan-dalàna momba ny tolobaro-panjakana (Code des marchés publics) koa izany satria misy dingana maro arahana rehefa misy asam-panjakana hotanterahana izay tsy maintsy anaikana tolobidy. Milaza mazava ity volavolan-dalàna ity fa ny asa rehetra tontosaina amin’ity taona ity dia efa tokony holazaina ao amin’ny “Avis général de passation des marchés publics” tamin’ny 31 oktobra 2012 farafahatarany nefa rehefa nohamarinina dia tsy hita taratra tao anatiny mihitsy io fanamboaran-dalana lazain’ny filohan’ny FAT io.

Raha ny lalàna dia efa voalaza ao anatin’io “Avis général” io ny asa hatao, ny tentim-bidiny, ny famatsiam-bola, ny fanaikana tolobidy hatao na misokatra na mihidy ary ny fe-potoana hamitana ny asa. Mijanona ho mistery avokoa anefa ireo hatramin’izao. Raha amin’ny volana febroary indray ny fotoana hanombohan’ny asa dia midika izany fa efa fantatra amin’izao ankehitriny izao ny orinasa mahazo ny tsena. 30 andro hatramin’ny 45 andro aorian’ny fanaikana tolobidy misokatra izay tsy maintsy alefa amin’ny gazetim-panjakana sy gazety mpiseho isan’andro mantsy no fantatra ilay orinasa hanatanteraka ny asa ary mbola manana 10 andro hanaovana fitarainana koa ireo orinasa tsy lany.

Hatramin’izao anefa dia tsy mbola misy akory izany fanaikana tolobidy izany sady efa tsy nisy araka ny voalaza tetsy ambony ny “Avis général de passation des marchés”. Azo heverina fa trano maro no ho rimbana na harodana amin’ity fanatanterahana ity tetikasa ity satria efa tsy misy tany malalaka intsony amin’ny ilany andrefana somary avaratra iny.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT