Politique

Lalàna momba ny Fampihavanam-pirenena Holaniana voalohany eny Tsimbazaza


  • Sabotsy 22 Oktobra 2016

Volavolan-dalàna tokana aloha hatreto no voalahatra hodinihin’ny solom-bavambahoaka ka hakana ny fankatoavan’izy ireo, dia ny volavolan-dalàna laharana 010/2016 tamin’ny 20 mey 2016 momban’ny Fampihavanam-pirenena

. Atrikasa sy asam-baomiera ny ankoatra izay. Izay no fandaharam-potoana hiasan’ireo depiote nanomboka ny 18 oktobra ka hatramin’ny 11 novambra 2016, araka ny tapaka tamin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny alakamisy 20 Oktobra 2016, izay notarihin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max. Volavolan-dalàna efa vary mangatsiaka tsy voadinika tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana farany io, no izao hiverenana izao. Amin’ny alarobia 09 novambra 2016 sy alakamisy 10 novambra 2016 ny fivoriambe handaniana azy. Fanokafam-bavony ihany ireo atrikasa sy ny fihaonan’ireo Solombavam-bahoaka amin’ny Minisitry ny Vola sy ny Teti-bola amin’ny Vaomiera, amin’ny Alatsinainy 24 oktobra 2016. Fihaonana izay tsy azon’ny besinimaro hatrehina. Amin’ny zoma 11 novambra 2016 indray ny fivorian’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena hanapahana ny fandaharam-potoana manaraka.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT