Ao anatin’ny atrikasa toy itony, hoy ny solontenan’ny antoko Tiako I Madagasikara, Mamy Mamonjy Raharinavalona,
no ahafahana mametraka tsara ny firindrana amin’ny resaka lalàm-pifidianana, raha naneho hevitra mikasika izany tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy, io omaly io. Vonona izahay handray anjara amin’ny hetsika toy itony satria manana kandidà amin’ny ambaratongam-pifidianana rehetra ho avy. Misy maromaro anefa ny teboka tokony ovana raha ny atrikasa farany niarahana tamin’ireo fiarahamonim-pirenena, hoy hatrany ny fanazavany. Miainga hatrany amin’ny lalàm-panorenana izany ka hatrany amin’ny lalàna fehizoro, izany hoe misy tsy firindrana ny fampiharana ireo fehezan-dalàna. Lafiny tekinika anefa moa, hoy ny tenany ny ankamaroany ka sarotra hazavaina. Ohatra, tamin’ny farany teo dia mahazo manao fampielezan-kevitra ny depiote sy minisitra kanefa dia tsy afaka manao izany kosa ireo talen’ny kabinetra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.