Politique

Lalampanorenana Voahitsakitsaka tanteraka , hoy SECES


  • Alarobia 26 Aprily 2017

Mahatsapa ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (SECES), fa voahitsakitsaka matetika ny Lalàmpanorenana. Tsy voahaja ny tany tan-dalàna satria misy sokajin’olona ao amin’ny fitondrana mametra-tena ho ambonin’ny lalàna ary misy ireo vahoaka madinika natao hampiharana ny lalàna velona eto Madagasikara.

 

 Mankahery sy mampirisika hatrany ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) amin’ny ezaka ataony manoloana ny fampiharana ny lalàna velona, ka tsy hilefitra manoloana ny ara-dalàna sy ny fitsabahan’ny sasany amin’ny raharahan’ny fitsarana ny mpampianatra mpikaroka. Manantena ihany koa ny fandraisana andraikitra hentitra avy amin’ny BIANCO sy ny SAMIFIN. Isaorana ny Mpahary satria mbola velon’aina ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana miisa dimy (05), nifandimby teto Madagasikara, hoy ny SECES. Manainga an’ireo mpitondra ireo mba tsy hinia mikimpy manoloana ny zava-mitranga, ka hampandefitra ny hambom-pony. Manao antso avo ho an’ny tombontsoam-pirenena sy ny taranaka faramandimby fa vahaolana mahomby ny fanatanterahana Fikaonandoham-pirenena amin’ity taona 2017 ity, ka handraisan’ireo ireo Raiamandreny ara-drazana sy ara-pinoana isam-paritra, ireo olon-kendry sy manampahaizana isan-tsokajiny, ireo solontenam-bahoaka avy eny ifotony, ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana no heverina fa vahaolana mahomby indrindra hisorohana ny mety ho tsy fankatoavana intsony ny lalàmpanorenana sy ireo karazan-dalàna misy eto Madagasikara, ny mety hisian’ny fipoahana ara-tsosialy goavana, ny mety fifandrafiana eo amin’ny samy Malagasy, ny mety ho fanararaotan’ireo vahiny ny otrikarena misy eto amin’ny tanindrazana, indrindra ny rafitra tokony hapetraka, izay mbola miteraka adihevitra goavana. Vonona ny SECES hanao tan-tsoroka ara-teknika sy ny famolavolana mandritra ny fandavorariana izany adidy mankadiry izany ho tombontsoan’ny vahoaka ary ny tany sy ny firenena Malagasy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT