Politique

Lalŕmpanorenana vaovao Raikitra ny fanangonan-tsonia


  • Alakamisy 20 Oktobra 2016

Olona an’arivony no nitandahatra nanao sonia, mitaky ny hanaovana fifidianana lalŕmpanorenana hanovana rafitra eto Madagasikara. Mitety faritra ny hetsika Malagasy Miray Feo, tarihin’i Samihary Floriot, manao ity fanangonan-tsonia ity.


 Natombok’izy ireo tao Mahajanga izany ny 7 sy 8 oktobra2016, ary nitohy omaly 19 oktobra 2016 teo anoloan’ny biraon’ny OTIV Boeny. Ho fampiharana ny voarakitry ny andininy faha-161 amin’ny lalàmpanorenana momba ny fanovana lalàmpanorenana, no tanjon’ity fanangonan-tsonia ity, hoy i Samihary Floriot, ary hampahafantarina ny fianakaviambe iraisam-pirenena toy ny SADC, Vondrona Afrikanina, Firenena Mikambana izany. Lalàmpanorenana telo no haroso hifidianan’ny Malagasy, handaminana ny firenena aloha fa tsy misy fampandrosoana azo antenaina amin’izao rafitra misy izao na hanao fifidianana filoham-pirenena isaky ny mihetsika eto aza ny Malagasy, hoy hatrany ny filohan’ny TAMAMI.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT