Politique

Lalŕmpanorenana tandrametaka 2010 Ahitana tsininy, 7 taona aty aoriana


  • Sabotsy 27 Mey 2017

Mitaky ny fanovana lalŕmpanorenana avokoa ankehitriny ny fianakaviamben’ireo mpanao politika niara-nitantana tao anatin’ny fitondrana tetezamita lavareny.

Manitsakitsaka sy mandika ity lalàna fototra ity mantsy ny fitondrana Rajaonarimampianina, araka ny filazan’ireto farany. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa nivoaka tamin’ny fifanarahan’ny filohan’ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) sy ireo antoko politika 178 niara-dia taminy ny fijoroan’ny komity mpamolavola ny lalàmpanorenana tamin’izany. Lalàna fototra nanaovana fitsapan-kevi-bahoaka maimaika ny 17 novambra 2010, nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny 6 desambra 2010 ary lany ara-dalàna ny 11 desambra 2010. Azo ambara ho lalàna fototra tery vay manta rahateo ity lalàmpanorenana tandrametaka 2010 ahitana tsininy, 7 taona aty aoriana ity satria tsy nandray anjara namolavola no tsy nankasitraka io lalàna fototry ny Repoblika faha-IV io ireo firehana telo Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana. Ny 37%-n’ny Malagasy feno 18 taona ihany koa (2.657.962) tamin’ny mpifidy voasoratra anarana 7.151.223) no nandany azy io.

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT