Samy miteniteny ny resaka fanovana lalàmpanorenana mialoha ny hanatanterahana fifidianana ireo antoko politika sy hery velona isan-tsokajiny. Varotra omby anaty ambiaty anefa ny ankabeazany ary mifono hevi-petsy.
Hatramin’ny tandapa no mody mivoy ity resaka ity amin’izao fotoana. Ao ny mivantana amin’ny firesahana fa tokony hovaina ny lalàmpanorenana, ary ao ny mody mandrisika ny hafa hanao fanambarana politika hanohana sy hitaky fanovana. Ny taona 2018 rahateo efa mandindona, ary efa mitady hevitra mafy hanamboarana ny kajy malotony ny fanjakana HVM, izay efa donton’ny feom-bahoaka tsy mankasitraka. Voizina sy mody resahina ny “Lalàmpanorenana sy fokonolona” amin’izao fotoana izao, izay ilaina tokoa saingy tsy hatao fahatany araka izay saim-patatry ny mpitondra manamboatra ny kajiny. Efa akaiky ny fifidianana vao mody resahina sy voizina ny hoe miainga eny amin’ny fokontany ny fampandrosoana mba handresen-dahatra ny rehetra hankato sy hankasitraka, indrindra ny hanafainganana ny fanovana lalàmpanorenana. Dia hovoizina indray fa maika ny fanovana azy satria maika ny fampandrosoana mipaka eny amin’ny fokonolona. Hatramin’izay ny fitondrana dia nisalobo-komana samirery tao ary ny tetibola natokana ho an’ny kaominina aza zara raha misy 0,02% amin’ny tetibolam-panjakana, raha ny tatitra farany nivoaka nandritra ny fivorian’ireo fikambanan’ny Ben’ny tanàna amin’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara (AGVM) tamin’ny herinandro teo mainka fa hiditra amin’ny resaka fokontany sy fokonolona. Anisan’ny nivoy ny resaka fanovana lalàmpanorenana ny antoko MFM tarihin’i Manandafy Rakotonirina sy ny antoko na herivelona samihafa. Mety amin’ny fitondrana HVM tsara ireny fa ny zava-doza amin’izao fotoana izao, dia ny hoe ireny fanehoan-kevitra ireny no hatao fitaovana hahafaha-mikitika sy manova ny lalàmpanorenana araka izay hitiavan’ny mpitondra azy sy mba ho an’ny tombontsoany manokana, toy izay natao ny taona 2010. Tadiavina hoteren-ko masaka ohatran’ny voalobo-jaza ny fanovana ary hatao samirery, ka izay no hilazan’i Marc Ravalomanana sy ireo ireo mitovy fijery aminy fa ny fampihavanam-pirenena aloha no laharam-pahamehana. Ao anatin’izay no tokony hiaraha-manapaka izay hatao na hanova lalàmpanorenana na lalàm-pifidianana... Anisan’ny mivoy izany i Constant Raveloson ary milaza hoe velomy ny adihevitra sy tenieràna momba ny Lalàmpanorenana ary mba hisahana an'izay tena itoeran'ny ain'ny tany sy ny firenena. Ny ao an-dapa ao mihitsy no fototry ny ota. Tsy repoblika no ao satria tsy iombona-manana ny tany sy ny firenena sy ny fitondrana sy ny fitsarana sy ny basy … Ny fahefana iombona-manana no asosoka ny fahefana anjakan'ny tandapa raha ny heviny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.