Nosoratana tamin’ny teny frantsay, naverina ny zarazarao hanjakana nolovaina tamin’ny mpanjanatany Frantsay, ny teny frantsay no hany azo ekena ho tenim-pirenena ankoatra ny tenin-dReny, dia nampiana fa fanjakana tokana, manana ny fiandrianany, repoblikana ary laika i Madagasikara.
Singanina amin’ny maro mbola azo resahina manodidina ity volavolan-dalàmpanorenana natolotry ny Komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana, hanorenana ny Repoblika faha-4 io. Ety am-piaingana dia mipetraka sahady ny fanotaniana, f’angaha tsy ho an’ny Malagasy izy ity no nindramana tenim-bazaha ny nanoratana azy ? Notsikeraina mafy ho tsy nampandroso an’i Madagasikara ny resaka faritany noho izy nanome vahana ny «cause côtière» fototry ny savorovoro lava teto, nefa naverina indray izy eto. Koa asa na ny fisiana an-tanantohatra telo na efatra, miainga amin’ny Kaominina, Faritra, Faritany mizakatena no hanafaingana ny fampandrosoana na ny mifanohitra amin’izay ?
Fa ny nanesorana ny teny anglisy tsy ho tenim-pirenena koa no mampieritreritra amin’izao andron’ny fanatontoloana sy fivoaran’ny teknôlôjia izao. Tsy hitakosonana amin’ny SADC, izay saika firenena miteny anglisy no ao anatiny, sa fanehoana ny tsy fitiavana an’i Marc Ravalomanana izay nametraka azy io tao anaty lalàmpanorenana sa fihemorana tsotra izao ? Dia ny famerenana indray fa laika ny fanjakana, raha ny tantaran’ity Madagasikara ity talohan’ny Fanjanahantany dia mifanohitra amin’izay no izy. Ny mpanjanatany sy ny tarazony no nametraka io resaka laïcité io, teoria frantsay no marimarina kokoa. Sa haverina hiankin-doha indray i Madagasikara amin’izany rehetra izany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.