Natambatra ao anatina vaomiera tokana fa tsy nozarazaraina anaty zana-baomiera ny fandinihana ny lalŕmpanorenana vaovao ho an’ny Repoblika faha-4. Izay no fanapahan-kevitr’ireo mpikarakara sy mpandrindra ny fihaonambem-pirenena.
Mpizaika 900, arak’izany, no hitambatra, hifanakalo hevitra sy hiady hevitra amin’ny fandinihana ireo karazana volavolan-dalàmpanorenana, ary hiezaka ny hamoaka fehin-kevitra momba izany, ato anatin’ny 5 andro. Ny antony nahatonga izany, araka ny filazan’ireo mpikarakara dia tsy mety raha saratsarahana ny fandinihana ny lalàmpanorenana, tahaka ny hevitra tany aloha hoe : zana-baomiera hafa no mandinika ny savaranonando, dia hafa no mandinika ny zo fototry ny olom-pirenena, ary hafa ihany koa no mandinika ny rafitry ny fanjakana… Mirindra kokoa ny asa raha toa ka miaraka mandinika ireo lohahevi-dehibe rehetra ireo ny ao anatin’ny vaomieran’ny fandinihana ny lalàmpanorenana.
Anisan’ny tena ahitana adihevitra mafana eny Ivato moa ity vaomieran’ny lalàmpanorenana ity, noho izy fototra iorenan’ny zava-drehetra amin’ny repoblika vaovao ho avy eo. Araka ny tenin’ny filohan’ny Raiamandreny Mijoro, ny mpitandrina Ramino Paul dia mila mahay mandamina tsara ny fomba fiasa ny mpitarika rehetra amin’ity fivoriana eny Ivato ity, indrindra fa ny ao amin’ny vaomieran’ny lalàmpanorenana, satria tsy mora izany handray hevitr’olona 900 izany, sy mbola handinika ireo volavolan-dalàmpanorenana 300 voarain’ny CCC, ary tsy fantara aza na mbola ho avy tampoka koa ny soso-kevtra avy any amin’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, izay efa nambarany fa hatolotra hodinihana ao anatain’ny fihaonambem-pirenena. Fa vaomiera isan’ny betsaka mpizaika mandray anjara koa ny fampihavanam-pirenena sy ny famontsoran-keloka. Raha ny resaka mandeha omaly teny andalatsaran’ny CCI Ivato dia ny hankatovan’ny mpizaika ilay fifanarahana politika voasonia ny 13 aogositra 2010 no kendrena amin’ity fihaonambem-pirenena ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.