Isan’ny tazana tetsy amin’ny tafa voalohany nataon’ny antoko MFM tamin’ity taona ity tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny sekretera jeneralin’ny antoko no sady loholon’i Madagasikara, Olivier Rakotovazaha.
Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny tenany ary resy lahatra fa tsy hahavaha ny olana misy eto intsony, indrindra, ny fitsaram-bahoaka ny lalàm-panorenana izay misy ankehitriny. Ny famerenana ny hasin’ny fokontany, araka ny vahaolana natolotry ny MFM anio, hoy ny fanazavany no hany sisa azo hanavotana ny toe-draharaha. Resaka gana sy akoho, hoy izy, amin’izao fotoana izao dia efa miteraka fitsaram-bahoaka. Voavaha eny amin’ny fokontany anefa izany, hoy hatrany ny tenany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.