Politique

Lalŕmpanorenan’ny Repoblika faha-4 Nanolotra soso-kevitra ireo filohan’ny Andrim-panjakana teo aloha


  • Alarobia 02 Jona 2010

Manodidina ny 40 eo ho eo amin’izao fotoana ny soso-kevitra momba ny volavolan-dalŕmpanorenana voarain’ny CCC, na ny komity fakan-kevitra momba ny lalŕmpanorenana, izay manana ny birao fiasany eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza.

Tamin’ny andron’ny omaly dia ireo efa nitantana Andrim-panjakana teto amin’ny firenena hatrizay, no noraisin’ny CCC.  Anisan’ny tazana teny Tsimbazaza Atoa isany Honoré Rakotomanana, efa filohan’ny HCC sy ny Antenimierandoholona, Rakotovao Panoel, Ndrianjafy George Thomas efa avy filohan’ny HCC tamin’ny Repoblika faharoa, Ratsirahonana Norbert Lala, efa nitana ny andraikitry ny filoham-panjakana nandritra ny tetezamita tamin’ny 1995 – 1996 no sady efa avy filohan’ny HCC, i Mahafaritsy Samuel sy Lahiniriko Jean, samy efa filohan’ny Antenimieram-pirenena nandritra ny fitondrana Ravalomanana, ary i Monja Roindefo, izay praiminisitra voalohany tamin’izao fitondrana tetezamita izao. Samy niaiky izy fito mirahalahy ireo fa lalàmpanorenana maharitra fa tsy hiova isaky ny 10 taona no tokony hapetraka manomboka izao, ka ilaina ny fakana ny hevitry ny rehetra ary tokony hojerena tsara izay tena mifanaraka amin’ny Malagasy. Ho an’i Honoré Rakotomanana dia mila fantarina tsara ny «forme de l’Etat» na endriky ny fanjakana, toy ny hoe federaly ve sa mahaleotena sa mitsinjara fahefana sy ny «forme du régime» na endriky ny fitondrana, izany hoe hampihatra ny fisaraham-pahefana tanteraka tahaka ny any Etazonia ve, ka tena mahaleo tena tanteraka ny andrim-panjakana rehetra fa tsy baikon’ny fahefana mpanatanteraka, io ilay antsoina hoe : «séparation des pouvoirs», sa ve tena miara-miasa sy mifampiankina tanteraka ny Andrim-panjakana na «collaboration des pouvoirs» ; mbola tafiditra ao anatin’izany endriky ny fitondrana izany koa ny hoe manampahefana tanteraka ny filohan’ny Repoblika (régime présidentiel), na tompon’ny teny farany ny Antenimiera (régime parlementaire). Araka ny filazany anefa dia ilaina hatrany ny fisian’ny fifandanjam-pahefana «équilibre de pouvoir» mba ialana amin’ny fanaparam-pahefana sy ny fihoaram-pefy lava.

Lehibena Andrim-panjakana teo aloha, saingy tsy tazana teny Tsimbazaza ny Pr Zafy Albert, Dr Rakotovahiny Emmanuel, Pr Ange Andrianarisoa, Guy Willy Razanamasy, Désiré Rakotoarijaona raha tsy hiteny afa-tsy ireo, ankoatra ny tsy eto an-toerana.
Hitohy anio moa ny fandraisana ireo mpanao politika sy ny miaramila sy ireo sisa hafa. Ny 03 jona no hifarana ny fandraisana ireo tolo-kevitra ary hatolotra ny fikaonan-doham-pirenena. Aorian’izay vao harafitra ny lalàmpanorenana izay hakana ny hevitry ny vahoaka.
 
Rabe sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT