Tsy azo ekena ny volavolan-dalŕmpanorenana atolotry ny FAT hofidiana ny 17 novambra ho avy izao, hoy ny Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – Tany.
Araka ny andininy voalohany ao amin’izany volavolan-dalàmpanorenana izany dia velon’ahiahy ity vondrona ity satria dia karazan’ny manome vahana ny fahazoan’ny vahiny sy ny orinasa vahiny tany izao. Ho an’ity Collectif ity dia manome vahana ny famarotana tany ho an’ny vahiny io volavolan-dalàmpanorenana io ka tsy azo ekena. Ho azy ireo dia mila jerena mihitsy ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola, laharana 2007-036. Efa hatramin’ny volana janoary no voalaza fa nangataka izany ny Collectif. Io lalàna io dia manome alalana ihany koa izay orinasa vahiny efa manana rantsana eto hahazo hividy tany. Tsy mbola nivoaka anefa ny didy fampiharana ilay lalàna ary dia mampitandrina ny fanjakana izay mitady hampihatra izany ny Collectif. Ankoatra izay dia mitaky ny hanaovana loabary an-dasy sady demokratika momba ny fifanarahana fampanofana tany maharitra na ‘bail emphytéotiques’ sy ireo fombafomba fampiasam-bola amin’ireo tany famokarana eto Madagasikara ny Collectif Tany. Araka ny fahitan’ity vondrona ity dia anisan’ireo firenena ifandrombahana i Madagasikara, miroborobo ihany koa ny raharaha tany. Na izany aza tsy tokony hahakasika ny fampandrosoana any ambanivohitra sy ny tombontsoan’ny tantsaha Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.