Tamin’ny ankapobeny dia efa tany amin’ny enina ora sy sasany tany no nisokafan’ny birao fandatsaham-bato (BV) miisa 140 tao Toamasina I, saingy mbola ireo vata mangarahara teo aloha no nampiasaina.
Ny tsapa dia tsy naharesy lahatra ny vahoakan’i Toamasina ny «lalàmpanorenan’ny fanovana». Anisan’ny lesoka goavana ny fahamaroan’ny olona tsy voasoratra anarana. Sombiny hita ny tao amin’ny Fokontany P/elle 11/43 Andranomadio izao dia mihoatra ny 300 olona tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra, ny tao Anjoma Atsinanana P/elle 32/31 ihany koa dia olona 136 tsy tafiditra tao anatin’ny lisitra, ny tao Morarano P/elle 21/13 dia efa mahatratra 250 mahery koa ireo very zo ary tao Analamboanio dia efa nananiky ny 350 be izao ireo tsy voasoratra anarana. Ny tena nahagaga tamin’ireo birao fandatsaham-bato sasany tao Toamasina I ity, dia misy ireo nahazo kara-pifidianana mazava nefa tsy voasoratra ao anatin’ilay lisi-pifidianana akory ny anarany.
Feno kiririoka
May ny endim-boanjo tao Toamasina I mikasika ity fahavitsiana mpifidy ity, ka vantany vao nivoaka ilay didy hitsivolana 2010-013 ny 17 novambra 2010, androm-pifidianana antoandro, dia feno kiririoka ny elakelan-trano rehetra nanomboka tamin’ny 02ora, nanentana ny olona mba handeha hifidy. Azo atao indray mantsy ny mifidy, raha mahazo ny fanamarinana avy amin’ny filoham-pokontany na ny fitondrana ny karatra teo aloha … Ho an-dRasamimaka Mahefalahy mpitarika ny Ankolafy Telo ao Toamasina dia nilaza fa «tsy ny teo aloha nambara fa tsy nety ihany ve izao miverina izao ? Ity aza vao mainka loza mitatao amin’ny hala-bato nanenjehana ny mpitondra tao anatin’ny 50 taona lasa izay, satria manana ‘acte juridique’ tahaka ny ahoana moa ny taratasy fanamarinana raisin’ny filoham-pokontany mihoatra ny ‘ordonnance’ raisin’ny fitsarana (mpitsara nanao fianianana) hatramin’izay amin’ny olan’ny mpifidy sahala amin’izao». Ankoatra izay, hatramin’ny 04 ora tokony ho nikatonan’ny BV rehetra omaly, dia tsy nahita afa tsy nanodidina ny 16%-n’ny mpifidy ihany no tonga nanefa ny adidiny. Teo amin’ny mpanara-maso kosa, dia ny KMF/CNOE no hita nanao izany.
Rakoutou
Sary : Latsa-bato tao Toamasina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.