Milaza ho manana volavolan-dalŕmpanorenana, izay norafetiny niaraka tamina teknisianina sy manampahaizana maro samihafa ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, ary hampahafantarina mialoha ny hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena izany.
Nandritra ilay resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ny alahady lasa teo moa no nanambaran’ny filohan’ny FAT izany, ary mbola nanamafy ny voalaza rehetra ny vaovao an-tsarin’ny TVM ny alarobia alina teo. Tsy am-pisalasalana no nilazan’i Andry Rajoelina fa lalàmpanorenana tena mety amin’ny Malagasy sy i Madagasikara ity novolavolainy ity ary mino sy resy lahatra izy fa ho maro no hitovy fomba fijery aminy. Tsy misy maharatsy mihitsy ny fandrafetana volavolan-dalàmpanorenana, ary afaka manao izany ny rehetra, ny nahagaga ny maro dia ny hoe : fa inona ny antony tsy nanoloran’i Andry Rajeolina, na ny solontenany izany teny amin’ny CCC na ny komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana-Tsimbazaza, tahaka ny nataon’ny rehetra. Raha ny fanangonam-baovao natao anefa, dia efa ela no vonona io volavolan-dalàmpanorenan’ny filohan’ny FAT io, fa tsy hoe vao izao na tamin’ny iray volana lasa. Manaraka izany dia manitikitika ny maro koa hoe, nahoana no tsy maintsy asiana fampahafantarana manokana, sy miavaka tamin’ny an’ny rehetra izy ity ? Raha ny fahazoana ny resak’i Andry Nirina Rajoelina mantsy dia hisy ny fampahafantarana ofisialy an’ity volavolan-dalàmpanorenana norafetiny sy ny mpiara-miasa aminy ity, mialoha kelin’ny fihaonambem-pirenena.
Fa nahoana no tsy tonga dia natolotra ny CCC ilay izy dia, arakarak’izay fomba fiasa sy fandaminan’izy ireo azy any ka aseho daholo ny hevitra rehetra mandritra ny fihaonambem-pirenena, dia eo amin’izay no atao ny adihevitra sy ny fandravonana. Ho an’ny mpanaraka ny vaovao politika dia mahatakatra avy hatrany, fa mitady ny hanao amboletra ka hampandany ny lalàmpanorenany indray i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy, ka ho karazana haingon-trano fotsiny ireo soso-kevitra maro be natolotra teny Tsimbazaza. Tsy vitsy ihany koa no mieritreritra fa fanahy niniana natao izao mba hanindriana aloka izay zavatra rehetra dinihana momba ny lalàmpanorenana ao anatin’ny fihaonambem-pirenena. Eo amin’ny lafiny serasera tokoa mantsy dia manana tombony ireo izay miteny farany na mamoaka ny heviny aorian’ny fandraisam-pitenenana sy fanazavan-kevitry ny hafa. Fantatr’i Andry Rajoelina tsara izany, noho izy niasa an-taonany maro teo amin’ny sehatry ny serasera.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.