Politique

Lalàm-pifidianana vaovao Mijanona ho tsiambaratelom-panjakana


  • Talata 13 Jona 2017

Hatolotry ny komity fakan-kevitra ny praiminisitra amin’izao tapaky ny volana jona 2017 izao ny volavolana tolo-dalàna fanavaozana ny lalàm-pifidianana avy amin’ireo hery velona samihafa eto amin’ny firenena nangonin’ny Vaomiera nasionaly mahaleotena misahana ny fifidianana nanomboka ny taona 2016.

 Handalo eo anivon’ny governemanta izany mialoha ny fandrafetan’ny komity iombonan’ny minisitera ireo tolokevitra havadika ho volavolan-dalàna hodinihana mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ny parlemanta amin’ny volana oktobra 2017. Tsiambaratelo tanteraka moa hatreto ny vontoatin’ny drafitra naroson’ireo antoko politika, firaisamonim-pirenena ary ny mpikirakira vaovao teo anatrehan’ity komity fakan-kevitra notendren’ny mpitondra fanjakana ity. Miteraka ahiahy ho an’ny maro moa ny fomba fiasa mitarazoka ny fanovana ireo soso-kevitra nivoaka tamin’ny atrikasam-paritra samihafa toy ny nitranga tamin’ny lalàna mifehy ny serasera nolanian’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara ankamehana. Vahaolana maharitra sy mahomby mifanaraka amin’ny toetrandro ankehitriny kosa ny fampiasantsika ny «e-gouvernance» miainga amin’ny fanisam-bahoaka eny anivon’ny fokontany, hoy ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar).

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT