Anisan’ireo fiarahamonim-pirenena mandray anjara amin’ny atrikasa momba ny fanatsarana ny lalŕm-pifidianana tanterahina ao amin’ny Carlton Anosy hatry ny omaly ny Komity mpanara-maso ny fifidianana (KMF/CNOE).
Ny fiarahamonim-pirenena izay nanao fanaraha-maso ny fifidianana, hoy izy ireo, dia efa samy nanome toromarika tamin’ireo tatitra navoakan’ny CENI. Miainga avy amin’ireny no hodinihina sy hohalalinina ary hohamafisina ao anatin’ny atrikasa atao amin’izao fotoana hikarohana ny lalàna vaovao mety amin’ny fifidianana eto amintsika. Lesoka iray lehibe ny hoe : raha misy fanapahan-kevitra nivoaka tao anatin’ny fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia misy indray lalàna manokana hanaovana kajikajy politika. Ohatra amin’izany ny fanisana vato izay matetika mampiseho tarehimarika miaka-midina. Tokony ho lalàna matotra no mipetraka, hoy ireo fiarahamonim-pirenena, ary mitovy ny fampiharana azy ho an’ny rehetra. Mila mazava ny fotoana hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena ary tsy miovaova. Matetika ny filoha tonga eo te ho lany fanindroany dia ovaovainy araka izay mahamety azy ny datim-pifidianana. Ahoana no hatao mba hisian’ny lalàna mafonja tsy azon’ny mpitondra sy mpanohitra hozongozonina ? Io no fanontaniana lehibe ho saro-baliana napetrak’ireo fiarahamonim-pirenena omaly.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.