Politique

Lalaina Berthness “Aza mamita-bahoaka rehefa tsy mahavita azy”


  • Talata 15 Novambra 2016

Tsy misy fanajana etika ao anatin’ny fanaovana politika ankehitriny ka antony mahatonga ny mpitondra tsy hametra-pialana rehefa tsy mahomby, hoy ny filohan’ny antoko Leader Fanilo eto amin’ny faritra Analamanga,

 Lalaina Berthness, miaraka amin’i Zafera Antoine, raha naneho ny heviny tetsy amin’ny trano fonenany Antaninanandro, omaly. Mamitaka sy misoloky amin’ny vahoaka ianao raha mbola miziriziry kanefa efa tsy mahomby, hoy izy. Rehefa tsy mahatanteraka ny andraikitra takian’ny vahoaka aminy dia miala satria io no manjary antom-pisian’ny mpitondra tsy maty manota eto. Matoa nametra-pialana tsy ho praiminisitra lefitra intsony tompokolahy Herizo Razafimahaleo, tamin’ny fotoan’androny dia noho io resaka etika tsy voahaja io. Amin’izao fotoana, hatramin’ny praiminisitra aza milaza fa tsy hiala raha tsy hesorin’izay manala azy. Tsy ny filoham-pirenena anefa no nametraka azy teo amin’ny toerany fa ny vahoaka.

Mirija

ss (Tahirin-tsary)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT