Politique

Lalaina Berthnes “Zo ny manala ny mpitondra amin’ny toerany”


  • Sabotsy 27 Aogositra 2016

Naneho ny heviny tetsy Antaninandro mikasika ny fahitany ny toe-draharaha eo anivon’ny Leader Fanilo omaly ny tompon’andraikitra voalohan’ity antoko ity ato amin’ny Faritanin’Antananarivo, Lalaina Berthnes

. Nambarany fa nibirioka tamin’ny fitsipika anatin’ny fikambanana no antony nanalan’ny antoko an-dRakotomamonjy Jean Max tsy hiandraikitra ny maha filoha mpandrindra ny antoko intsony. Toy ireo nahazo ny filoham-pirenena nifandimby ihany, hoy Atoa Lalaina Berthnes, no nahazo ny filoha Jean Max satria ireny rehetra ireny rehefa hitan’ny vahoaka fa tsy nahavita ny andraikitra nampanaovin’ny Malagasy azy dia nesoriny. Ny vahoaka Malagasy no mpampiasa ny mpitondra. Toy ny fiainam-pikambanana sy fiarahamonina rehetra ny fiainan’antoko. Ny mpikambana no mpampiasa ny filoha, noho izany, tokony hiera amin’ny mpikambana izy vao manapa-kevitra. Raha ny mikasika ny raharaham-pitsarana itorian-dRakotomamonjy Jean Max an’i Mahosindrahaja Heriniaina na Babala, izay voafidy ho Sekretera jeneralin’ny Leader Fanilo nandritra ny Filankevitra nasionaly teto Antananarivo ny 22-23 jolay lasa dia andrasana ato ho ato ny didy havoakan’ny Fitsarana ambony. Nanamafy anefa Atoa Lalaina Berthnes fa na inona na inona didy hivoaka eo dia “tsy hivaona na oviana na oviana” amin’ny sata mifehy azy ny Leader Fanilo.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT