Politique

Lala Brigitte Matahotra mafy an’i ‘Dada’ i Andry Rajoelina


  • Alarobia 05 Mey 2010

Efa elaela ihany no tsy nahitana sy nandrenesan’ny legalista an’i Lala Brigitte, depiote voafidy tany Ikongo. Nahitsy sy nivantana ho an’i Andry Rajoelina ny teniny tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

«Aleo lazaina ny marina, matahotra mafy an-dRavalomanana ianao ka izay no tsy anekenao ny fampihavanam-pirenena sy ny fanafoanan-tsazy”, hoy izy. Namoronana heloka i Marc Ravalomanana, ary tsy hain’i Andry Rajoelina ny sandan’izany fampihavanana sy Fihavanana Malagasy izany, hoy ihany ity olomboafidy ity. Tsy manaiky fampihavanam-pirenena sy fanafoanan-keloka i Andry Rajoelina, kanefa marobe ireo olona akaiky azy mila izany famotsoran-keloka izany. Tsy dia i Marc Ravalomanana loatra no mila izany, hoy i Lala Brigitte, satria tsy mbola voaheloka i ‘Baba’, kanefa izy no mitaky fanafoanan-keloka ho an’ny rehetra, hoy ihany izy. Momba ny fifidianana, dia nazava ny tenin’i Lala Brigitte : “Tsy matahotra fifidianana ny ankolafy telo, fa tsy ekenay kosa raha fanapahan-kevitr’olon-tokana no hanaovana izany. Raha mbola ianao no ho eo, tsy afaka hanao fifidianana izahay”. Tsy an’olona iray, hoy izy i Madagasikara fa firenena hitambarana.

 Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT