Politique

Lahiniriko sy Maharante Tsy masina an-taniny


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010

Tonga tao Toliara i Lahiniriko Jean, filoha lefitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) sy i Maharante Jean de Dieu, ministry ny fiompiana ao amin’ny governemanta FAT. Fampielezan-kevitra tanteraka no nataon’izy mirahalahy tao amin’ny efitrano Basia.

Nanao antso avo tokoa mantsy ry zareo tamin’ny haino aman-jery tao Toliara nanentana ny olona ho tonga maro hanatrika ny famelabelarana ny lalàmpanorenana vaovao tao amin’i Basia ity, kanjo dia olona vitsy no nanoina ny antso. Tsy nampoizin’ireo vitsy tonga koa ny nisy tao satria dia fampandaniana ny ENY no tena naseho.

Na izany aza dia nisy tamin’ireo olona nanatrika tao no sahy nilaza mihitsy hoe : “Nahoana ny aty amin’ny Fokontany no tsy mahalala ity lalàmpanorenana vaovao lazainareo ity ?” Midika izany fa tsy marim-pototra ny zavatra atao. Ao ihany koa ireo nanontany hoe : «Nahoana no nivaona ny zavatra tinapaka tamin’ny fihaonambem-pirenena, toy ny fanovàna ho PDS ny Ben’ny tanàna rehetra nefa fifidianana indray no hatao, famotsoran-keloka faobe no tinapaky ny rehetra tao ary atao mialoha ny fifidianana ny fampihavanam-pirenena nefa tsy misy tanteraka izany ?”. Namaly an-kolaka an’ireo izy roalahy iraky ny FAT, sady zanaky ny Fatitra Atsimo Andrefana, ka fampideraderana ny bokin’ny lalàmpanorenana no nasetriny. Dia raikitra ny horakoraka rehefa tsy nahafa-po ny olona ny valin-teny. Hoy i Lahiniriko raha namarana ny teniny : «Tsy fanaovana propagandy ny ENY no natao fa famelabelarana ny lalàmpanorenana». Nihomehezan’ny olona io teniny io.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT