Politique

Lahiniriko Jean Voaroaka tsy ho UDR-C


  • Alakamisy 31 Janoary 2013

Noesorin’ny UDR-C tsy ho mpikambana ao aminy intsony i Lahiniriko Jean. Omaly no nampahafantaran’ny birao UDR-C, notarihin-dReboza Julien, sekretera nasionalin’ny antoko PSDUM sady minisitry ny rano, io fanapahan-kevitra io ary nampitaina tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina.

 Amin’izy ireo mantsy dia ny UDR-C no angady nananana sy vy nahitana izao fiovana misy eto amin’ny firenena izao izay manohana feno ny filohan’ny FAT. Vokany, tokony ho olona nahazo tso-drano sy fankatoavana avy amin’i Andry Rajoelina ihany no afaka milatsaka hofidiana, hoy izy ireo fa tsy mandeha ila. Fitsipahana marindrano ny foto-kevitra ijoroan’ny UDR-C, hoy ihany izy ireo ny fanapahan-kevitr’i Lahiniriko Jean, nilaza fa kandidan’ny PSDUM ary nahazo tsodranon’ny UDR-C amin’ny fifidianana filoham-pirenena satria mampizarazara ny samy mpikambana.

Tsy nanisy resabe momba io fandroahana azy tsy ho mpikambana UDR-C io i Lahiniriko Jean. Ity farany izay nametraka ny tenany ho raiamandreny na eo aza ny angaredona ataon’ireo mpiara-dia aminy eo anivon’ny antokony sy ny UDR-C notarihiny. “Ny zanaka no mahafoy ray aman-dreny fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka”, hoy ny filohan’ny PSDUM. Marihina fa omaly dia mbola i Lahiniriko Jean no nitarika ny UDR-C nihaona tamin’ny Dr Leonardo Simao, iraky ny SADC manao fakan-kevitra mikasika ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra ny resaka amnistia sy ny fodian’ireo sesitany politika toa an’i Marc Ravalomanana.

 

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT