Politique

Lahiniriko Jean “Avelao haneho hevitra ny mpanohitra !”


  • Alarobia 02 Jona 2010

Anisan’ireo nitondra soso-kevitra teny amin’ny CCC teny Tsimbazaza amin’ny maha filohan’ny Antenimieram-pirenena azy teo aloha, i Lahiniriko Jean.

Nambarany ary fa “tokony hahay mihaino ny vahoaka ny mpitondra mba hialan’ny firenena amin’ny savorovoro sy ny krizy politika lava”. “Tokony ho afaka maneho ny heviny an-kalalahana ny mpanohitra hoy izy, fa tsy terena na ampitahorina lava, ary omena sehatra ahafahany manatanteraka izany. Ny tsy fisian’izany no nahatonga ny vahoaka sy ny mpanohitra hatramin’izay tsy maintsy nidina an-dalambe sy nandrodana ny fanjakana rehetra nifandimby”, araka ny filazany. Satria rehefa tsy omena fahalalahana haneho ny heviny ny olona dia tsy maintsy mitady lalan-kafa. Takiana miaraka amin’izany ihany koa, araka ny soso-kevitr’i Lahiniriko Jean ny hametrahana rafitra ahafahana manatanteraka fifidianana madio sy mangarahara eto Madagasikara, ka izany rehetra izany mitambatra no hampisy ny fifandimbiasam-pahefana demokratika lavitry ny gidragidra. Izy moa dia anisan’ireo mitaky ny hisian’ny tena fahaleovantenan’ny Fitsarana ihany koa, fa tsy sanatria hataon’ny mpitondra rehetra mifandimby fitaovana, hanamafisana ny fahefany sy hijanonany faran’izay maharitra eo amin’ny fitondrana tsy akory ny fitsarana. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT