Politique

Kung-fu Wisa Hidina an-dalambe hanafaka ny firenena


  • Alarobia 22 Septambra 2010


Ho tohin’ilay hetsika fitsofana anjomara nosantarina teny Ankaditapaka Andohalo ny 10 septambra lasa teo dia hitohy amin’ny faritra maro samihafa ilay hetsika ho fanafahana ny firenena hotontosain’i maître Avoko Rakotoarijaona sy ny Kung-fu Wisa. Eto an-drenivohitra no hisantarana izany afaka rahampitso zoma 24 Septambra. Toerana tsy hampoizina maro no hanaovana ny hetsika amin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka. Hisy mandritra izany ny fampahafantarana ny olona ny antony mahatonga ny krizy eto amin’ny firenena, ny sitrapon’Andriamanitra manoloana izany ary ny vahaolana ho enti-manafaka ny firenena. Hitohy ny sabotsy 25 Septambra any Mahitsy ny hetsika, handalo an’Ambohitrimanjaka ary hipaka hatrany Alakamisy Fenoarivo. Amin’ny alalan’ny vavaka no hanatontosana ny fotoana rehetra mialohan’ilay vavaka fanafahana ny firenena hotontosaina ny 17 Oktobra ho avy io eto an-drenivohitra. Marihina fa hisy ihany koa ny hetsika hotontosaina any amin’ny faritra toy ao Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava izay hanomboka ny sabotsy ho avy io ihany koa.

Miantso ny vahoaka malagasy rehetra i maître Avoko noho izany mba hifanohana kanefa tsy hanelingelina na hanakorontana ny hafa kosa.
 
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT