Politique

Krizy Malagasy Hivory ary hanapa-kevitra ny SADC amin’ny herinandro


  • Talata 06 Jolay 2010

Hivory any Kampala renivohitr’i Ouganda ny 11 ka hatramin’ny 16 jolay ho avy izao ireo filoham-pirenena ao amin’ny SADC, ka horesahana ao anatin’ny fihaonana ny krizy tsy mety mivaha eto Madagasikara.

Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nampahafantatra izany tamin’ireo mpitolona eo anivon’ny ankolafy telo, nifampitaona tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo. Araka ny ritsoka re dia mety hisy indray ny fepetra horaisin’ny avy ao amin’ny SADC raha toa ka tsy manaiky hatrany ny fanelanelanana sy ny vahaolana efa naroso hatrizay ny FAT. Mialoha io fihaonana any Kampala io anefa dia ho avy eto, araka ny efa notaterina teto ihany i Joaquim Chissano, handresy lahatra an’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy mba hiverina amin’ny fifampiresahana ary hanaiky hampihatra ny satan’i Maputo izay efa nosoniavin’ny filohan’ny ankolafy efatra. Azo antoka izany fa mialoha io 11 jolay io no tsy maintsy higadona eto ity lehiben’ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena ity, ka hihaona amin’ireo ankolafy efatra, ary mety hisy ihany koa ny fihaonany amin’ny fiarahamonim-pirenena, izay miezaka ny manelanelana ihany koa amin’izao fotoana.

Ny SADC moa dia efa hatrany am-boalohany no nilaza fa fanonganam-panjakana no nisy teto ka tsy maintsy jerena ny fomba rehetra hahafahana mamerina ny ara-dalàna, ka miainga amin’ny fananganana tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra izany. Tsy vahaolana ho an’ny SADC ary tsy ho ekeny mihitsy ny fitantanana samirery ny firenena ataon’ny ankolafy Rajoelina amin’izao fotoana. Tsara homarihana fa tena manana ny lanjany aty amin’ny kaontinanta Afrikanina sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny SADC satria ivondronan’ireo Firenena anisan’ny manana toekarena matanjaka aty Afrika, ary tsy voafehy sy tsy voatohatry ny Frantsay. Hisy lanjany manokana izany ny fanapahan-kevitra horaisina mandritra ity fivoriana any Kampala Ouganda ity, ary azo antoka fa hitovitovy amin’ny fanapahan-kevitra horaisin’ny fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa ihany. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT