Politique

Krizy lava tsy mety vita Noho ny politikam-panjanahan’i Frantsa !


  • Alakamisy 14 Jolay 2011

Hanatanteraka hetsika goavana ho fanoherana ny eritreritry ny Frantsay mbola hanjanaka eto Madagasikara amin’ity anio ity ny Ankolafy 3 etsy amin’ny Magro Behoririka.

 Mifanandrify indrindra amin’ny datin’ny 14 jolay fetim-pirenena frantsay moa izany. Tsy sanatria filam-banina izao atao izao, araka ny fanazavana voaray avy any amin’ireo mpitolona ao amin’ny Magro fa fampatsiahivana ny rehetra fa tompon’andraikitra feno amin’ny krizy misy eto Madagasikara amin’izao fotoana sy ny savorovoro rehetra nitranga hatramin’izay ny Frantsay noho ny fidirany lalina loatra amin’ny fiainan’ny Malagasy efa ho 100 taona mahery izao.

Tsy avilivily ny resaka fa tonga dia tsorina : fahaleovantena ara-taratasy no nomena antsika tamin’ny 1958 ary nohamafisina tamin’ny 1960 fa ny tena marina dia nitsentsitra ny Malagasy foana ny Frantsay, saingy nidona tamin’ny rindrina izy ireo rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Marc Ravalomanana izay tsy nanaiky fanandevozana amin’ny endriny rehetra intsony. Dia izay no nahatonga ny fanonganam-panjakana sy ny krizy satria tsy maintsy naongana ilay manohintohina ny tombontsoan’ny mpanjanaka, resabe ny ankoatr’izay. Koa anjaran’ny tsirairay no mandinika tsara fa tsy hoe faly nifety fotsiny tamin’ny 26 jona fa nahaleotena na sasana atidoha amin’ny resaka fiandrianam-pirenena, propagandin’i Andry Rajoelina hatramin’izay kanefa ny FAT mihitsy izao no manome vahana indray ny Frantsay mpanjanatany fahiny, hahazo tombontsoa eto Madagasikara. 


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT