«Ambarako ho ren-tany, ho ren-danitra, ary eo anatrehan’ny Firenena iray manontolo, no hanamafisako ny fanambarana izay efa nolazaiko tamin’ny faha-12 mey 2010, fa tsy hilatsaka hofidiana ho Filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy izao ny tenako».
Mazava ny fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina, nozarainy ho fanta-bahoaka, tamin’ny alalan’ny haino amanjerim-panjakana omaly alina.
Tsy nahomby
Malagasy maro, indrindra ireo ela nihafiana fa very asa, potika ny fivelomana noho ny fandrobana, ela nijaliana noho ny fampihorohoroana, no nisento tokana omaly ary nilaza fa «hifarana ihany ny krizy» vao nandre fa tsy ho kandida Rajoelina. Azo ambara fa tsy dia nisy fahagagana ny nilazany io fanapahan-kevitra io, na dia nangatak’andro lava aza sy nitotototo tatsy sy taroa aza izy ary efa potika tanteraka ny firenena vao nandray fanapahan-kevitra sy nampahafantatra izany. Marihina fa efa nanomana ny mpiara-dia aminy i Andry Rajoelina tamin’ny krismasin’ny mpiasan’ny prezidansa, fa iny no fiarahana farany amin’ny tetezamita. Ankoatra izay dia tsaroana etoana ny tenin’i Andry Rajoelina, roa taona lasa izay ny hoe : matoa aho milatsaka hofidiana dia azoko antoka izay fa ho lany.
Ka mipetraka izany ny fanontaniana eto hoe : tsapan’i Andry Rajoelina izany fa raha izao izy no kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia tsy ho lany ? Na izany aza dia fiaikena koa ireny fanambarany ireny fa tsy nahomby ny tetezamitany ary fahadisoana goavana ny nitondrany olona an-dalambe tamin’ny 2009. Azo antoka fa maromaro ihany ireo mpomba an-dRajoelina no diso fanantenana sy mety ho nahatsiaro tena voafitaka mihitsy tamin’iny fanambarany omaly iny, satria efa ho herintaona no niantsoantso isan’andro sy nivavaka mihitsy mba ho kandida izy, kinanjo… Be no mametra-panontaniana hoe hanao ahoana ny fanatanterahana ireo fampanantenana nataon-dRajoelina toy ny hanomezana karama ny mpilalaon’ny Makis, ny ho tohin’ny fanomezana vola ny AV7, ny hoavin’ireo manohana mahafatrapo azy izay nahavita namaky ady tamin’ireo tsy nitovy hevitra taminy ? Azo antoka fa ho sahiran-tsaina koa ireo andia-miaramila nanohana fatratra an’i Andry Rajoelina. Tsy mahagaga koa, taorian’iny fanambarana iny raha hipatitaka sy hiady an-trano amin’izay ireo antoko politika sy fikambanana nanohana an-dRajoelina, indrindra fa ny TGV, satria mety tsy haharesy lahatra ny maro an’isa ao anatin’ny ankolafy izay kandida tokana aroso eo, dia mety samy hanolotra kandida daholo izy rehetra, dia izay no vita !
Mikasika ny fifidianana dia nilaza i Andry Rajoelina fa “ny fanatontosana ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana Filoham-pirenena, no heveriko fa handamin-javatra sy hitondra filaminana. Fa ny fanaovana fifidianana mitambatra, dia hiteraka olana hafa indray eto amin’ny Firenena”. Tsy zava-baovao io fa efa hevitr’ireo mpomba an-dRajoelina tamin’ireny Dinika Santatra sy Fihaonambem-pirenena ireny. Asa aloha raha hanaiky izany ny CENIT sy ny Firenena Mikambana. Tsy azo adinoina anefa fa maro an’isa ao amin’ny CENIT ny mpomba an’i Andry Rajoelina, ka mety halaim-panahy hankato izany rehefa samy tsy hilatsaka ihany izy sy Marc Ravalomanana. Fa amin’ny lafiny iray dia tetika hijanonan’i Andry Rajoelina ela eo amin’ny fitondrana io, satria efa nambarany fa hamita ny tetezamita hatramin’ny farany izy. Tsy hay anefa izay hitranga aorian’ny fifidianana depiote raha ny tolo-keviny no harahina. Voalohany, manam-potoana hanorenana sy hitokanan-javatra i Andry Rajoelina ary dia ho sodokan’izay ny mpifidy ary mety hahazo maro an’isa ao amin’ny Parlemanta ny TGV sy ireo fikambanana politika manohana an-dRajoelina. Vantany vao misy olom-boafidy anefa eo dia azo antoka fa hihazakazaka hanafoana ny tondrozotra ireo, ary ho tantara hafa koa ny resaka aministia. Mety halaim-panahy hikitika lalàmpanorenana indray ireo dia hitarazoka ny raharaha, Rajoelina amin’io eo amin’ny fitondrana ihany. Tsy mahagaga raha malina dia malina ny avy amin’ny mpanohitra manoloana iny fanambaran’i Andry Rajoelina iny.
“Mal élu”
Omaly alina, ihany anefa dia efa nandeha ny adihevitra sy ny tombantombana sao dia mba kajy politika avo lenta indray ireny nataon’i Andry Rajoelina ireny, izy rahateo olona mpivadibadi-kevitra izay, ka mety afaka andro vitsivitsy dia hisy andian’olona, avy eny amin’ny ambany tanàna, ohatra, hidina an-dalambe ka hitaky ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina dia miova hevitra indray avy eo, fa hoe tsy manaiky ny vahoaka ! Misy koa anefa no mihevitra fa efa tena tapi-dalan-kaleha i Zandry Kely satria sady vitsy mpanohana eto Madagasikara no tsy nahazo fanampiana avy any ivelany, ary efa malaza fa tsy mbola matotra ara-politika mihitsy, ka izay no tsy nahasahiany nirotsaka hofidiana.
Fa na ahoana na ahoana ambara aloha dia mibaribary izao fa kabary natao hanaitaitra fotsiny ireny nataony teny Iavoloha tamin’ny alarobia 9 janoary ireny, ary mety tena fahadisoana paikady politika mihitsy aza ho an-dRajoelina, satria mety vao mainka nihamafy sy matanjaka ny tsindry nahazo azy, mba tsy ho kandida noho ny vava be nanakianany ny sehatra iraisam-pirenena. Fa ny tsy azo adinoina dia mila fitoniana ny fanatanterahana fifidianana eto. Ny fitoniana dia midika fiverenan’ireo sesitany politika an-tanindrazana, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Ny fitoniana dia midika famotsorana ireo gadra politika sy famohana ireo haino aman-jery nakatona nandritra izao tetezamita izao. Ka izay no ametrahana fanontaniana hoe hamaha olana marina ve ny “Ni…Ni” ? Samy manana mpanohana azy mantsy na Ravalomanana na Rajoelina, izay azo antoka fa tsy hifidy olon-kafa rehefa tsy ireo no milatsaka. Ny dikan’izay dia mety ho lany amin’ny ampaham-bato 10% na latsak’izay aza izay filoham-pirenena voafidy eo. “Président mal élu”, hoy ny teny vahiny, izany hoe tsy ho marin-toerana ary dia hiteraka krizy vaovao indray.
RTT sy Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.