Politique

Kortezin‘ny filoham-pirenena Nandratra olona 5


  • Talata 28 Febroary 2017

Tsy takona afenina ny setrasetran’ny kortezin’ny olom-panjakana eto amintsika. Ny fiara nentin’ireo mpiambina ny filoham-pirenena indray no namoa-doza tany Mahajanga omaly.

 

Rehefa avy nanatitra ny filoha izy ireo, dia nirifatra toy ny fanaony saingy nandona fiara fitateram-bahoaka iray. Olona miisa 5 no fantatra fa naratra vokatr’izany. Ny tena loza dia nezahina nafenina izy io ka nisy ny fandrarana ny mpanao gazety tsy haka sary ny zava-nitranga, raha ny vaovao azo. Mahagaga sy mahatalanjona ny antony hanafenana ny marina tsy ho fantatry ny rehetra. Efa nisy tranga mitovitovy tamin’izao teny amin’ny lalan’i By Pass ny 24 oktobra 2016, ka ny kortezin’ny filoha no voalaza fa nandratra olona saingy tsy nisy tohiny ny raharaha. Mpivady nitondra “moto” no voadonan’ny fiara iray izay voalaza fa taitra tamin’ny fandalovan’ny filoha ny mpamiliny ary tsy maintsy, ka nahadona olona nitondra moto nanao taingin-droa  izay nahafaty tsy tra-drano ny ramatoa iray ny 22 oktobra 2016. Efa malaza ratsy mihitsy ny manampahefana sasany eto amintsika ary efa betsaka ny fitarainana momba fa mbola mitohy ihany ny hetraketraka. Saika ireo izay manana toerana ambonimbony no manararaotra sy manampatra fahefana amin’ny tokony hanomezan-dalana azy eny an-dalambe rehetra eny. Tsy hay intsony na tsy mahay lalàna na minia tsy te hahalala satria manampahefana, ka afaka mitondra tena ho ambonin’ny lalàna. Raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana anefa dia ny filoha, ny praiminisitra, ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary ireo lehiben’ny antenimiera roa tonta ihany no manan-jo tsy maintsy homen-dalana rehefa eny an-dalambe eny. Tokony hampianarina ny mpampiasa làlana rehetra ny lalàna satria maro no tsy mahalala.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT