Politique

Kongresin’ny Tetezamita Saro-toerana Raharinaivo


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010

Misavoritaka sahady eny Tsimbazaza. Tsy nety vita ny fananganana birao maharitra. Raikitra ny fifanasana vangy ary resaka fandanian’andro no betsaka omaly.

Tsy maintsy niandry izay fivoakan’ny fifidianana filoha tao Anosikely ny teny. Tafiditra anatin’ny kajikajy politika avokoa izany. Hatreto dia an’Antananarivo (faritany mizakatena) amin’ny alalan’i Andry Rajoelina ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita. Lasan’i Fianarantsoa, amin’ny alalan’ny Jly Dolin Rasolosoa, ny filohan’ny CST (Filankevitra ambonin’ny tetezamita). Efa eo an-tanan’i Toliara, amin’ny alalan’ny Jly Camille Vital, satria izay no tsy nandefasana an’i Lahiniriko Jean tao Anosikely omaly, ny toeran’ny praiministra lehiben’ny governemanta. Mazava izany fa dia hifandaminan’i Toamasina, sy Mahajanga ary Antsiranana izay ho filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, raha ny lojikan’ny fifandanjam-paritra novelomina indray tao anatin’izao fitondran’ny FAT izao no harahina.

Saro-toerana, araka izany, ingahy Raharinaivo Andrianatoandro, izay atolotry ny Parlemantera nisintaka tao amin’ny Tiako I Madagasikara, ary efa noresahina sy nanaovana dokambarotra fa handray mora izany toerana izany. Rahampitso zoma no fantatra fa hatao ny fifidianana izay ho filohan’ny Kongresy, ka kandida roa, hatry ny omaly, no fantatra fa hifaninana amin-dRaharinaivo dia i Robert Razaka (Toliara), atolotry ny HPM sy i Voninahitsy Jean Eugène (Mahajanga) avy amin’ny Les As sady gadra politika miandry famotsoran-keloka rahateo. Tsy mbola niteny anefa ny TGV sy ny UDR Fanovana, izay maro an’isa ao Tsimbazaza, ary anisan’ny nangataka ity fanemorana fifidianana ity, satria niandry ny vokatra tao Anosikely. Hafana ny ady seza eny Tsimbazaza eny. Mbola hafa koa ny tantara rehefa tonga ny famaritana ny tombontsoa.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT