Nahoraka teto an-drenivohitra ny fisiana fanafihana fiara teny Tsimbazaza teny, omaly, nanodidina ny tamin’ny roa tolakandro, ka nahavery ny vola ana miliara voalaza fa tokony handoavana karama sy fanampiana sarandalan’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita.
Mifamahofaho be ihany ny fandehan’ny raharaha. Ny hany fantatra dia hoe nisy fiara 4x4 iray miloko volombatolalaka nitsivalana tamin’ny lalana, teo anelanelan’ny ministeran’ny fizahantany sy ny fidirana ao amin’ny Parc Tsimbazaza. Nisakana fiara 4x4 iray hafa, Hyundai Galloper niloko maitso izy io, izay nitondra vola karaman’ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita. Hatramin’ny fito ora sy fahefany hariva nialan’ny mpanao gazety teny amin’ny Lapan’ny depite eny Tsimbazaza dia tsy mbola nisy vaovao ofisialy azo fa mbola tao anaty fivoriana lalina ny mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Kongresy notarihan’ny filohany, Raharinaivo Andrianatoandro. Raha ny lojikan-javatra mantsy dia ny filohan’ny Kongresy no tokony hitondra fanazavana ofisialy mikasika ity raharaha ity na ny Kestora I. Ity farany moa dia efa adiny iray taorian’ireo namany vao tonga niatrika ny fivoriana omaly.
Ny tsikaritra dia nisahotakotaka be ihany ny teny an-dapan’i Tsimbazaza io omaly io. Ny hany vaovao azon’ny mpanao gazety dia ny fanazavana nomen’ny mpamily ilay fiara nitondra vola. Nivoaka, hoy izy, ny mpamilin’ilay 4x4 an’ny jiolahy ka namoaka azy, izay tao anaty fiara nitondra vola sady nanambana basy azy. Araka ny fanazavan’ilay mpamily ihany dia telo izy ireo no tao anaty fiara, roalahy sy vehivavy iray. Tsy nisy mpitandro ny filaminana nanara-dia azy ireo tamin’ny fitondrana io volabe io, izay vao sambany no nisy izany. Lasan’ireo jiolahy, araka izany, ny fiara izay nisy vola ana miliara (telo miliara iraimbilanja teo) avy nalaina tao amin’ny Trésor Antaninarenina. Ilay vehivavy tompon’andraikitra mpizara ny vola eny amin’ity Kongresy ity aloha izay naka ny vola tany amin’ny Trésor dia tsy nisy fanontaniana azo navantana taminy fa tena mbola tao anatin’ny hatairana miharo tahotra tanteraka ka vonton-dranomaso tsy nijanona.
Nony hariva dia re fa hita teny Volosarika Ambanidia teny ireo fiara 4x4, saingy tamin’ny fotoana samihafa. Araka ny loharanom-baovao dia nahitana fonosam-bola 21 isa, misy ravim-bola amin’ny 5000Ar zato isa avy, tavela tao anatin’ny 4x4 anankiray. Hatreto aloha dia tsapa fa tsy voafehy mihitsy ny fandriampahalemana ankehitriny eto amintsika. Nanao antso avo ary nilaza ny homena valisoa lehibe ireo olona rehetra izay manome vaovao marina sy mitombina mikasika io fandrobana io moa ny minisitry ny serasera, sady mpitondra tenin’ny governemanta. Ny vahoaka kosa mino fa tsy ampahafirin’ireny baomba sy fikononkononana fanonganam-panjakana ireny ity seho ity ka tsy ho ela dia ho hitan’ny tompon’andraikitra.
Nangonin’i Soa sy Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.