Politique

Kongresin’ny Tetezamita Mpikambana 250 amin’ny 256 no voatendry


  • Alarobia 13 Oktobra 2010

Raha 256 no ho mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita, dia 250 no napetraka tamin’ny toerany omaly teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza izay lasa ho Kongresin’ny tetezamita ankehitriny.

Araka ny nambara tamin’izany, dia mbola miandry didim-panjakana hafa ny fanendrena ny enina ambiny. Ny didim-panjakana 2010- 852 no nanendry ireto 250 napetraka tamin’ny toerany omaly ireto. Raha ny fitsinjarana ireo toerana 256 ireo dia ny anjaran’ny Fiadidiana ny Tetezamita ny 07, anjara manokana tsy ifampizaran’ny Filohan’ny FAT ny 11, Olobe sy Tangalamena (22), TGV (52), UDR (29), ESCOPOL (62), HSPM (07), AREMA (07), Les AS (07) ary ny TIM (52).

Tsikaritra tamin’izao fanendrena izao, fa nisy ireo gadra politika tamin’ny raharaha 2002 no efa voatendry sahady ho mpikambana amin’ity andrimpanjakana ity toa ny Jeneraly Randriafeno sy ry Zakahely Boniface ary ry Voninahitsy Jean Eugène. Tsy mbola nivoaka anefa ny lalàna momba ny famotsoran-keloka faobe, dia efa misy sahady ny mahazo toerana. Mampametra-panontaniana ihany izany. Anisan’ireo voatendry ho eny Tsimbazaza moa ny mpanao gazety Maka Alphonse (La Vérité), izay avy amin’ny Raiamandreny Mijoro, sy ny mpikambana tao amin’ny Fahefana Ambonin’ny Tetezamita teo aloha Ratovonomenjanahary.
Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT