Politique

Kongresin’ny tetezamita Midongy tsy mamonjy fivoriana ireo CT


  • Alatsinainy 10 Desambra 2012

Tena midongy tsy mamonjy fivoriana tsotra izao ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita noho ny disadisa anatiny tsy mbola mety voavaha hatramin’izao ka tsy lany noho ny tsy fahatrarana fetrisa ireo volavolan-dalŕna roa nentina tao amin’ny fivoriana nitambarambe tamin’ny zoma 7 desambra folakandro teo.

 Tena nangadihady ara-bakiteny fa azo nisana tamin’ny rantsan-tanana ireo tavela tao anaty efitrano fivoriana. Koa na dia efa tsy nasiana n’inona n’inona aza ny andro alatsinainy 10 desambra fa efa noheverina fa ho “pont” dia voatery hoentina eo anivon’ity andrimpanjakana ity indray anio ireo volavolan-dalàna ireo ka na ho firy na ho firy ho tonga ao an-dapa dia ho lany ireo volavola roa ireo. Marihina fa ny 14 desambra izao no hatao ny lanonam-pamaranana ity fivoriana ara-potoana faharoan’ny Kongresin’ny tetezamita ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT