Politique

Komity Manohana ny Eny Mampiasa vahiny manao propagandy ?


  • Talata 09 Novambra 2010

« Tena mpandraharaha marina ve ? Sa mpibizina mitady vola aodina sy harena ho trandrahana , ireto tera-tany Koreana tatsimo tonga ao Toamasina efa ho herinandro ireto », isan’ny fanontaniana napetraky ny mpanara-baovao nahita an’ingahy Jung-Dae-Hahm tale jeneralina orinasa sy J.H. Lee mpiara-dia aminy izany.

Tsy vitan’ny nanao ilay marika « V » amin’ny tanana ihany, fa vitan’izy mirahalahy ireo koa ny nanao ny « T-Shirt » misy ny fampielezan-kevitry ny mpanoahana ny  “Eny” tao Vavatenina. Nandritra ny fampielezan-kevitra ho fampandaniana ny Eny nataon-dRtoa Naharimamy Irma, filoha lefitry ny kongresin’ny tetezamita, tao Vavatenina ny herinandro lasa teo iny, no nahazoana ny vaovao sy mbola nahitana izany tamina fahita lavitra iray izay maha-tale azy ihany koa ao Toamasina. Raha ny fiantsoana mpanao gazety nataon’ny Pds ny kaominin’i Toamasina ny alakamisy teo, dia voalazany tsara fa « mpandraharaha tompona orinasa avy any ‘Ansan’ Korea atsimo, mikasa hanangana ivotoerana avo lenta ho fanofanana teknisiana ao Toamasina ireto delegasionina Koreana Tatsimo ireto ».

Raha ny lalàna Malagasy mbola manan-kery sy ny lalàna iraisam-pirenena mikasika ireo vahiny an-tanin’olona sy ireo iraka manokana firenena vahiny an-tanin’olona, anefa dia « tsy mahazo sy tsy manan-jo miditra amin’ny raharaha politika na firenena iray tsy hananany zo fototra sy zom-pirenena, ny resaka politika sy fitsabahana ara-politika ny vahiny» ; ny azy mirahalahy Koreana tatsimo ireto anefa dia  nentin’ny tsy fahalalana angamba, izay tsy mampino satria firenena mandroso sy mifandray betsaka amina tany mandroso ary mpikambana amin’ny firenena mikambana, ingahy Jung-Dae-Hahm sy J.H. Lee , fa azo inoana fa niniana natao ilay izy, satria misy tanjona hangoron-karena eto izy ireo amin’ny maha-mpibizina azy, ka fotoan’ny fanararaotana sy fametrahana kianja hahafahana milalao tsy ho ela ny zava-misy ara-politika tahaka izao misy eto amintsika izao. Zava-nisy tao Vavatenina izany, nefa tsy misy sahy miteny hatrany ireo mpanara-maso sy mpanomana ny fifidianana ahitana ny CENI foibe sy ny rantsa-mangaikany CER ao analanjorofo. Taorian’ny fandikan-dalàna fametrahana afisy amina tamboho sy tranon’olona, sy ny fampirantiana ny fampielezan-kevitra an-tsena, ary ny fanapariahana ny vato tokana efa voakosika ; dia ny fampiasana vahiny hanao fampielezan-kevitra indray izany no lamaody amin’izao herinandro roa farany amin’ny propangandy izao. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT