Niseho masoandro ary dia miharihary toy ny vay an-kandrina ankehitriny fa manao politika ny komandy eo anivon’ny foloalindahy malagasy ahitana ny tafika, zandary ary polisy.
Niala saron-tava izy ireo omaly, ka nanao fanambarana politika ho setrin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny SADC nivory tatsy Sandton Afrika Atsimo ny 12 jona teo. Vahaolana politika no naroson’ny SADC taorian’ny ny fandravonana ny soso-kevitr’ireo vondrona politika miisa 11 nasain’izy ireo hakan-kevitra tany Gaborone ny 06 sy 07 jona teo, mba handaminana ny krizy mitarazoka eto Madagasikara nefa dia ireto komandy ireto indray ankehitriny no mijoro ho sakana amin’ny fanatanterahana izany. Nirahina hanao fanambarana tao amin’ny Toby Ratsimandrava izy ireo omaly, rehefa avy navorin’i Andry Rajoelina tao Ambohitsorohitra ny maraina. Mazava loatra fa hary fitaovana ny olona alefa hamita iraka.
Mikaikaika anefa ny vahoaka amin’ny asan-jiolahy, mitombo isa ny very asa, manjaka ny kolikoly sy fanaparam-pahefana, mihalalina ny fahasahiranana ary porofo hita maso ny zava-nitranga teto an-drenivohitra sy ny manodidina omaly nisiana filaharambe teny amin’ireo toby mpaninjara solika, nefa dia sahy milaza ireo komandy miaramila fa miverina amin’ny laoniny ny fiainam-bahoaka. Mitsabaka amin’ny raharahan’ny mpanao politika ireto komandy ireto, ary toa miala ny andraikitra manandrify azy, mba tsy hilazana fa matahotra hanao ny asany dia ny miaro ny vahoaka sy ny fananany. Nivalona, tsara pirina any anaty vatasarihana ny fehin-kevitra nivoaka nandritra “assises militaires» teny amin’ny Centre de Conférences International Ivato ny 27 sy 28 mey 2009, mandrara ny tsy tokony hitsabahan’ny miaramila amin’ny raharaha politika. Ny fihetsika nataon’ireto komandy miaramila tao amin’ny Toby Ratsimandrava omaly iny koa dia sady fihantsiana ny iraisam-pirenena no mampibaribary indray fa nisy fanonganam-panjakana teto ary tao an-damosin’i Andry Rajoelina ireo. Koa asa na mbola hahavaha izao krizy izao ny resaka diplaomasia.
Mazava rahateo ny fanapahan-kevitry ny Parlemanta Eoropeanina mikasika an’i Madagasikara farany teo. Ny fantatra aloha hatreto dia tsy miray hevitra amin’iny fanambarana omaly iny ny eo anivon’ny foloalindahy. Misy manamboninahitra, manamboninahira lefitra ary vatamiaramila maromaro tezitra nanoloana iny fanambarana politika ranoiray nataon’ireo komandy miaramila iny, satria dia sady hiteraka savorovoro eo anivon’ny foloalindahy, no vao mainka hampitombo ny fahantran’ny vahoaka satria tsy hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena. Mametra-panontaniana ireto manamboninahitra, lefitra ary vatamiaramila ireto hoe mba aiza ireo zokibe jeneraly no minia tsy mahita sy tsy andrenesam-peo manoloana ny zava-misy ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.