Politique

Komandŕ Roger Luc Hosamborina ihany koa ?


  • Talata 23 Novambra 2010


Araka ny loharanom-baovao dia tsy mitsahatra ny fanadihadiana an’ireo manamboninahitra notondroin’ny FAT fa nikomy teny amin’ny BANI Ivato. Fantatra kosa anefa fa misy amin’izy ireo no manonona anaran’olona hafa. Anisan’ireo voatonona amin’izany ny komandà Roger Luc sy ny lehiben’ny toby RFI eny Ivato ihany. Misy mihitsy aza raha ny tsiliantsofina omaly ny amin’ny fivoahan’ny didy fampisamborana ireto manamboninahitra roa ireto. Hatramin’ny ora nanoratana anefa dia tsy mbola nisy izay fisamborana izay. Mbola mandeha moa ny famotorana fa ho hita eo ihany ny mikasika azy roalahy ireo. Fantatra ihany koa fa tsy nanomboka ny famotorana ireo manamboninahitra ireo teny Ankadilalana raha tsy tonga teny an-toerana ny jly Ndriarijaona André. Inona avokoa no dikan’izany ? Tsy maintsy hivoaka ny marina mikasika ity tranga teny amin’ny BANI ity. Tsy vitsy mantsy ireo izay mihevitra fa sarimihetsika izy iny. Ny nahagaga dia toa tsy voakasika ny lehiben’ity toby ity nefa tao no nanao fanambarana ireto manamboninahitra ireto. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT