Politique

Kolonely Ravalomanana «Tsy voatazona teny amin’ny BANI izany aho»


  • Zoma 19 Novambra 2010


Nandeha be ny feo ary nivoaka tamin’ny radio tsy miankina sasantsasany mihitsy aza fa hoe notazomin’ireo manamboninahitra haka fanjakana tao amin’ny tobin’ny BANI ny Kolonely Ravalomanana Richard, lehiben’ny Emmo-Reg. Nanda izany izy rehefa nanontaniana. Nandalo teny fotsiny ihany ny tenany mba nijery ny zava-misy sy nanotrona ireo olony tamin’ny fandravana ireo barazy nataon’ny sivily tamin’ny lalana mihazo an’Ivato, raha araka ny filazany. Tsy niditra tao amin’ny BANI akory mba hitady marimaritra iraisana izany ny tenany raha jerena amin’io fanazavana io. Izy rahateo dia nilaza fa resaky ny samy miaramila io ka tsy afaka ny hitsofoka amin’izany ny Emmo-Reg. «Manampy fotsiny ihany no azonay atao. Na izany aza anefa dia efa vonona tanteraka izahay, andro aman’alina, raha vao milatsaka ny baiko avy any amin’ny miaramila any», hoy io manamboninahitra io. Omaly alina dia nandeha ihany koa ny feo fa hotafihana ny BANI Ivato. Hatramin’ny fotoana nanoratanay ihany koa dia tsy mbola nisy aloha izany. 

Fa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT