Politique

Kolonely Ravalomanana Manao politika koa ?


  • Alakamisy 02 Septambra 2010

Tafalatsaka ao anatin’ny fanaovana politika koa ny kolonely Ravalomanana Richard raha ny fahitana azy amin’izao fotoana izao.

Raha nitafa tamin’ny mpanao gazety mantsy izy omaly dia nilaza fa antony ara-politika no mahatonga ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao. “Misy finiavana te handoto ny mpitondra mihitsy ataon’olona sasany sy mpanao gazety sasany”, hoy izy.

Tsy vitan’izay fa mbola nolazainy ihany koa fa «basy kilalao ireo ampiasain’ny jiolahy etsy sy eroa ireo». Mahonena mihitsy ny filazana tahaka izany satria tsy vao ela akory fa andro vitsy lasa izay ilay ramatoa be 60 taona nisy nanafika tetsy Ampitatafika ka maty mihitsy vokatry ny tifitra nahazo azy. Tsy izy ihany fa nisy zandary ihany koa voatifitra tamin’izany.
 
Ankehitriny anefa lazaina fa basy kilalao no ampiasain’ny jiolahy. Tsy izay ihany fa mbola nolazaina koa fa milamina ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Toa mifanohitra ihany ny zavatra ambarany, araka izany, satria taorian’izay dia nilaza indray ny vokatry ny “opération coup de poing” ataon’ny Emmo-Reg amin’izao fotoana izao ny tenany. Koa inona moa no hanaovana “opération” raha milamina ny tany ?
«Milamina, hoy izy, ny eto an-drenivohitra raha mitaha amin’ny zava-misy tamin’ny taona 1995. Tamin’izany dia fanafihana roa na telo isan’andro no nisy. Amin’izao fotoana izao kosa dia misy izay fanafihana izay saingy isan-kerinandro”. Tonga hatrany amin’ny filazana fa entina hiantsoana ny tafiky ny SADC mihitsy no anton’ireny fanafihana ireny, hoy ihany ny kolonely Ravalomanana Richard.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT