Taorian’ny didim-pitsarana manameloka ny kolonely Lylison higadra herintaona sazy mihatra, izay narahina didy fampisamborana, tsy niandry ela ny tenany fa omaly ihany dia namaly bontana tao anatin’ny tambajotran-tserasera fesiboky.
Maro ny fanenjehana mikasika ny tenako, ao ireo izay mikasa mihitsy ny handatsaka ny aiko. Tonga hatrany amin'ny fisavana ny trano fonenako, saingy tsy nahitam-bokany, hoy ity manamboninahitra sady loholona akaiky ny filohan’ny tetezamita ity. Nandeha indray ny fitsarana ahy, izay marihiko eto fa tsy nanatrika tao akory ny tenako sy ny fianakaviako, ka nivoaka ny didy fa herintaona an-tranomaizina, sazy mihatra no miandry ahy saingy tsy mampaninona ahy, hoy hatrany izy. Teo am-pamaranana dia mbola nandefa teny mahery mifono fihantsiana lalina ny fanjakana HVM ny tenany ka nilaza hoe "Henjeho aho raha ho tratranareo, vonoy aho raha hofatinareo. Miandry anareo, ary tsy matahotra anareo aho". Sarotra ny hino fa tsy hitan’ny fanjakana ny toerana misy ity manamboninahitra ambony karohiny fatratra ity, fa ny sata mifehy azy sy ny resaka fifandraisana iraisam-pirenena no ialokalofany. Manao vonovorona fotsiny kosa ny fitondrana HVM satria tsy mahavita na inona na inona. Nandalo fiofanana ara-miaramila tamina firenena vitsitsy i Lylison, anisany ny tany Chine. Efa nosaloran’ny Frantsay mariboninahitra “Légion d’honneur” ihany koa izy, izay midika zavatra maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.