Politique

Kolonely Lylison Hiseho amin’izay ?


  • Zoma 07 Oktobra 2016

Nangina tanteraka ny raharaha fikarohana ny loholona Lylison, izay misitrika noho ny fanenjehan’ny fanjakana azy taorian’ny raharaha saika hanaovana tanŕna maty an’Antananarivo ny 24 mey 2016.

Samy liana amin’izay misy azy ny rehetra ka nisy ny vaovao nivoaka fa tafaporitsaka tany Mayotte ny tenany saingy efa tafaverina eto Madagasikara indray ary mialokaloka any amina masoivoho vahiny iray eto amintsika. Tsy azon’ny fanjakana kitihina izy noho ny sata manokana mifehy ireny masoivohom-pirenena vahiny ireny. Malaza tamin’ny raharaha 2009 ity manamboninahitra ity ary mbola manao fanadihadiana mikasika izany ny firenen-dehibe ka mety ho tambin’ny fanomezam-baovao avy amin’ny kolonely Lylison no antony hiarovana azy ankehitriny; tena mahafantatra zavatra maro momba ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 mantsy izy. Atomotra ny fotoana hisian’ny fivoriana ara-potoan’ny antenimiera eto amintsika dia ny 18 oktobra ho avy izao ka amin’io no tombanana hipoirany ary hiantsoroka ny fiarovana ity loholona ity ilay masoivoho vahiny mampiantrano sy manafina azy, araka ny tsiliantsofina re ihany. Isan’ny mbola manao fangala-piery amin’ny fanjakana ihany koa moa i Augustin Andriamananoro filoha lefitry ny vondrona Mapar izay efa misy mahita mandeha amina fiara eto Antananarivo renivohitra ihany koa.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT