Mitombo hatrany ireo irakiraka alefan’ny fitondrana HVM any anaty haino aman-jery hanaratsy an’i Marc Ravalomanana.
Ny kolonely Coutiti indray no nipoitra sy niteny omaly. Ingahy Ravalomanana dia efa fantatra fa tsy tiam-bahoaka fa ny vahoaka no nanala azy tamin’ny 2009, hoy izy. Adala ve ny iraisam-pirenena nanameloka an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany tamin’iny fanonganam-panjakana hitam-poko hitam-pirenena iny, ka nikatona nanomboka teo ny resaka famatsiam-bola ? Tokony hiandry ny fifidianana izy fa tsy hanao fihetsiketsehana manelingelina ny fitondrana. Nosoketain’ity kolonely efa reraky ny figadrana ity ho mpanao kopisoroka sy tsy miraharaha ny fanapahan-kevitry ny fanjakana mihitsy aza i Marc Ravalomanana, ka aoka tsy hanakorontana fitondrana, hoy hatrany izy. Toa efa tsianjery nomanina fotsiny ny fanehoan-kevitra fa tsy nisy ny fandinihana ny tena zava-niseho nialoha sy taorian’ny 8 jolay hoe iza no tsy nanaiky didim-pitsarana sy nanao herisetra ? Tsy hay na mba nandinika ny tantara sy ny zava-nisy ihany na manao tsianjery maimbo fotsiny noho ny fanaovana asana mpikarama an’ady politikan’ny HVM fa dia sahiny ny nilaza fa nolovaina tamin’i Marc Ravalomanana ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny. Adinony ve fa tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana no ambony indrindra ny fiharian-karena teto Madagasikara izay tafakatra 7,1% fa ny fanjakana tetezamita sy ny HVM no nandrava efa ? Niaro fatratra ny fitondrana HVM amin’izao efa tsy fahaiza-mitantana izao ny tenany hoe tsy mora ny manao zavatra. Mety tsy levon’ny vavonin’i Coutiti hatramin’izao ny nigadrany nandritra ny fitondrana Ravalomanana. Tsara ny mampahatsiahy fa ny fampijaliana sy fampihorohoroana olona nataony tany Avaratry ny nosy ny taona 2001-2002 no antony nanagadrana azy. Mbola tafiditra tamin’ny raharaha BANI Ivato, resaka fanongam-panjakana ny volana novambra 2010, ka voasambotra ary nalefa teny Tsiafahy tamin’ny andron’ny tetezamita ihany koa izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.